Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Novambra, 2016
Mbola Lavitra Ny Làlana Hodiavina Amin'ny Ady Ho An'ny Zon'ny Vehivavy ao Afganistana
"Satria nateraky ny olona iray manana atidoha tsizarizary ho eto amin'ity tontolo ity, dia tsy maintsy olona tsy misy atidoha ihany koa ingahy solontenan'ny filankevitra ara-pivavahana eto Kabul."
Fanontaniana Mahamay Ny Sain'ny Venezoeliana : Hijanona sa Handeha ?
Niadi-hevitra momba ny firenena, ny mari-panondroana sy ny fahavoazan'ny tanindrazana sady mampatsiahy ihany ny krizy ara-toekarena sy politika ao amin'ny firenena ireo Venezoeliana any am-pielezana izay nihabetsaka vao haingana.
Vinavina Amin'ny Fampiasana Antserasera Ny Teny Ao Amin'ny Vondrom-piarahamonina Mayangna sy Miskito
Ity no lahatsoratra fahatelo amin'ny tetikasa "Miskito sy Mayangna ato amin'ny aterineto", nandresy nahazo vatsy tamin'ny vatsy bitika taona 2015 ho fanohanana ny hetsika fikatrohana nomerika ho an'ny teny teratany. Tontosaina ao Nikaragoà ny tetikasa ary mikasa hanamafy orina ny fiteny eo an-toerana miaraka amin'ny fandraisana anjara mavitriky ny tanora.
Mafana Fo Te-hanangana Tsangambato Ho an'ilay Mpanao Ratsy Malaza Indrindra Anty Sarimihetsika Any Rosia
Mafana fo Rosiana nanangona vola hananganana tsangambato ho an'i Sergei Bodrov Jr., ilay mpiantsehatra nilalao ny toeran'ilay maherifo, Danila Bragof, tao anatin'ilay sarimihetsika "Brat".
Manan-Jo Hanana ny Fiainany Manokana koa Ireo Mpijery Tranonkala “Ho an'Olondehibe” — Fa Iza No Mba Miaro Azy Ireo?
Tsy ny mombamomba manokan'ireo mpiserasera amin'ny tranonkala ho an'ny olon-dehibe ihany no iharan'ny fanitsakitsahana fa ny tsy fahafahana miaro ireo mpanjifa ireo.
Belo Monte, Herintaona Aty Aoriana: Ny Fiantraikan'ny Tohodrano Amin'ireo Mponina manamorona Ny Renirano sy ireo Vazimba Teratany
Nakatona tamin'ny Novambra 2015 ny vavaranon'i Belo Monte, tohodrano fahefatra lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao, any Brezila, mba hamenoana ireo fitehirizan-drano.
Miafina Ambadiky Lambam-Baravarana Ny Adihevitra Tati-baovao Momba an'i Putin ao amin'ny Esquire Rosiana
Teo amin'ny fifanakalon-kevitra hitam-bahoaka, nangatahan'i Minaev i Kuandykova mba tsy "hampitondra enta-mavesatra" ny mpamakin'ny Esquire, taorian'ny nanaovany fanamarihana vao haingana ao amin'ny "ny tsongan-teny androany" an'i Vladimir Putin .
LAHATSARY: Nahoana no Mafana Ny Saka Japoney Mandritra ny Ririnina? Mibonoka ‘Kotatsu’, Tahaka ny Olombelona Ihany
Maneho sarin'ny fahazoana aina sy ny hafanana ny teny kotatsu, ary tsy ho an'ny olombelona ihany.
‘Rakibolan-dresaka’ Mampita ny Tenin'ny Olona Teratany Ainu Ao Japana
Miezaka miaro sy mampita ny teny Ainu ifampiresahan'ireo mponina teratany ao amin'ny nosy avaratra-atsinanan'i Japana ao Hokkaido sy ny sisintany nosy Rosiana ao avaratra ny "rakibolan-dresaka" antserasera nivoaka voalohany tamin'ny taona 2009.
Mahalala Tsara kokoa an'i Madagasikara: Ny Valan-javaboarim-pirenena Tendrombohitr'i Ambra
Ny valan-javaboarim-pirenena ao amin'ny tendrombohitr'i Ambra dia 40 kilaometatra miala atsimon'i Diego Suarez, any avaratr'i Madagasikara. Mandrakotra velarantany maherin'ny 23.000 hektara ny ala tropikaliny mandomando..