Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Janoary, 2015
Tafahoatra Loatra Ny Lohatenin'ity Gazety ity Hoan'ny Mpamaky Maro ao Venezoelà
Nanetsika ny mpisera Twitter ny pejy voaloh'ny Últimas Noticas tamin'ny 12 Janoary tamin'ny herinandro lasa teo, rehefa nanapa-kevitra ny hilaza fa lasa lavitra loatra ilay gazety ara-politika.
Miresaka Momba Ny Herisetra sy ny Tsy Fitovian-jo Mihatra Amin'ny Vehivavy ao Kyrgyzstan
Nanatontosa lasin'ny Tanora Mpikatroka tao Bishkek ny tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices mba hiresaka momba ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, ary koa niresaka momba ny lohahevitra mahakasika ny VIH/SIDA .
Fisamborana, Baomba Mandatsa-dranomaso sy Fihetsiketsehana No Nandraisan'i Bahrain Ny Taona Vaovao
Fisamborana ny lehiben'ny mpnohitra malaza, Shaikh Ali Salman no nandraisan'i Bahrain ny taombavao. Mitohy ny fifandonana satria mitaky ny famotsorana azy ny mpanao fihetsiketsehana.
Esorin'i Filipina Mialohan'ny Fitsidihana “Famindram-po sy Fangorahana” Hataon'ny Papa Ireo Mpivarotra Madinika
Notoherin'ireo mpivarotra amoron-dàlana ao Luneta ilay taratasy fandroahana : "Tinay ny Papa. Tsy hanohintohina azy izahay. Tsy mpampihorohoro izahay".
Vonona Handray TEDx ao Damaskosy Ve i Syria Nefa ireo Mpihevitra ao Aminy na any Am-ponja na any an-tsesitany Na maty?
Sarotra hoan'ny hevi-baovao no hisondrotra raha mbola any am-ponja ireo mpitondra hevi-baovao tahaka an'i Bassel Safadi, sy raha novonoina sy nogadraina ary noterena handao ny firenena ny ankamaron'ireo Syriana malalaka fomba fiheverana.
‘Ankizy Maro No Very Amin'ny Toerana Kely Toy Izany': Misaona Ny Lozam-piara Fitateram-bahoaka i St. Vincent
Latsaka tanaty hantsana iray tao avaratr'i St. Vincent ny fiara iray fitaterana, nahafatesana ankizy dimy raha kely indrindra noho izy io nidoboka tamina morondranomasina vatovatoana.
Arabia Saodita: Hanangana “Rindrimbe” Mirefy 900 Km Hiarovantena amin'ny ISIS
Tamin'ny herinandro teo, mpiambina sisintany roa sy jeneraly iray no maty raha nanafika ny tobin-tsisintany iray ao Suweif, 80km avy ao Al Nukhayb, Iràka ny mpanao vivery ny ainy avy ao amin'ny ISIS.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...