Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Desambra, 2014
Ho An'ny Olon-tsotra Iray Mpanao Gazety Any Hong Kong, Nahoana No Lasa Loharanon-Tahotra Ny Hoe Lasa Malaza Be Amin'ny Aterineto
Nandefa lahatsoratra tamin'ny tena anarany i Hung Lai Fong, momba ireo hetsi-panoheran'ny mpomba ny demôkrasia ao Hong Kong, ary rehefa lasa be mpamaky io, lasa natahotra ny mety ho valin-kafatra avy any Shina izy.
Hetsi-Panoherana Faobe Tsy Fahita Firy Tao Pakistan Hanoherana ny Radikalisma
Taorian'ilay fanafihana mampihoronkoditra nahafatesan'ny mpianatra mihoatra ny 130 tao amin'ny sekoly iray tantanin'ny tafika tao Peshawar, dia nisy mpitondra fivavahana iray manahirana ny mieritreritra azy tsy nety nanameloka ny famonoana ka niteraka hetsi-panoherana izany.
Nahoana No Lasa Teny Japoney Malaza Indrindra Ho An'ny Taona 2014, Ny Hoe ‘Filàm-baniny Amin'ny Fiterahana’
Na dia mihatsara tsikelikely aza ny toeran'ireo vehivavy ao amin'ny fiarahamonina Japôney, mbola olana henjana ny filàm-baniny amin'ny fiterahana. Vao haingana ny Fitsaràna Avon'i Japana no namoaka didy ahazoan'ny olona iharan'ny filàm-baniny amin'ny fiterahana tombony,
Tiorkia : Miha Sarotra Afenina Ny Olan'ny Fitombon'ny Kolikoly
Namoaka ny Tondron'ny Fahitàna ny Kolikoly fanaony isan-taona ny Transparency International. Ny isa dimy nidinan'ny laharan'i Tiorkia no lehibe indrindra ampitahaina amin'ireo firenena hafa rehetra.
Pakistana: Namoaka Fialantsiny Tamin-dranomaso Tao Amin'ny Facebook Ilay Mpitory Fivavahana Malaza Raha Nampangaina Ho Niteny Ratsy Ny Fivavahana
Any Pakistana, omena lanja be mihitsy ny fiampangàna amin'ny fitenenan-dratsy ny fivavahana, tsy avy amin'ny lalàna ihany, fa amin'ireo olona vonona lalandava ny hanao fitsaràna avy amin'ny tenany ihany koa.
Ireo Tantara 14 Nalaza Indrindra tato Tamin'ity Taona 2014 ity?
Tamin'ity taona ity izahay nifantoka tamin'ny maizimaizina tao amin'ireo fandisoam-baovao tamin'ireo tantara nankalazaina hatraiza hatraiza, ary nanohy hampivoaka amin'ny mazava amin'ireo tantara tsy mba misy mpitatitra manerana izao tontolo izao.
Sehatra Matroka fa Nisaona ireo Ankizy Pakistaney Novonoina Tamin'ny Fanafihana tao Peshawar
Notontosaina tany amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao ny fijoroana fandrehetana labozia ho fahatsiarovana ireo novonoin'ny vondrona mitam-piadiana Taliban nisakoroka tany amin'ny sekolin'ny tafika iray tao Peshawar, Pakistan, hatrany Canada ka hatrany Tanzania sy Sri Lanka.
Fampisehoana Britanika Top Gear Tsy Tsara Loatra Tao Arzantina Taorian'ny Gafy Momba an'i Falklands
Niteraka fifandrangitana indray teo amin'i Britanika sy Arzantina momba ny nosy Falkland indray ny fandaharann'ny BBC antsoina hoe Top Gear rehefa nandraki-tsary tany an-toerana. Hivoaka amin'ny faran'ity herinandro ity ny fandaharana izay noraketin-dry zareo.
“Espaina Fanjakàn'ny Kolikoly” : Mpisera Mamelaka Tehamaina Ny Hetran'ny Google News

Nanambara ny Google News fa hampitsahatra ny asa fanampiny ataony amin'ny teny Espaniôla manomboka ny andron'ny 16 Desambra 2014 ilay lalàna vaovao mifehy ny Fizakamànana ara-tsaina ao Espaina
Hetra Vaovao ao Makedonia Manery ny Mpiasatena sy ny Asa Ampaha-Potoana Hidina An-dalambe
Ao amin'ny firenena izay manatomotra ny 29 isanjato ny tahan'ny tsy fananan'asa, dia ny asa-tena sy ny asa ora tsy feno ihany no mba azon'ny olona maro idirana.