Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Marsa, 2013

Aostralia: Hetsiky Ny Mponina Enti-manohitra Ny McDonald Any Amin'ny Vohitr'izy Ireo

Nanana fifandraisana mivantana tamin'ny hetsi-panentanana anaty aterineto ny hetsika fanoheran'ireo mponina ny McDonald vaovao any amin'ny havoanan'i Melbourne any ivelan'ny tanànan'i Tecoma. Ho fanampin'ireo fanasàna atidoha, fivoriana sy fidinana an-dalam-be, nitondra zava-mahafinaritra ho an'ireo hetsi-panoherana tamin'ny alalan'ny famelàna olona kely an-jatony eo amin'ny tohotohotry ny birao foiben'ny McDonald ireo mafana...

Lahatsary Ahitàna Mpianatra Misedra Ny Tsenan'asa Tsy Misy Indrafo Ao Japana, Mihodina Be Aty Anaty Aterineto

Lasa mihodinkodina be aty anaty aterineto ny lahatsary fanentanana fohy mampihetsi-po "Recruitment Rhapsody", izay fitaratry ny dingana henjana sy feno sakana ho amin'ny fihazakazahana mitady asa izay tsy maintsy iaretan'ireo Japoney mpianatra, ary efa in-350.000 no nisy nijery

Global Voices Any Amin'ny OECD – Fikaonan-Doha Iraisam-Pirenena Momba Ny Fampandrosoana

Nomena fahefana hitoraka bilaogy mivantana ny OECD Global Forum on Development na Fikaonan-doha Iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana atao any Paris ny 4 sy 5 Aprily 2013 ireo mpitoraka bilaogin'ny Global voices. Ho fanomanana ny fivoriana dia nametraka lahatsoratra momba ireo olana amin'ny fandrosoana izay hanampy amin'ny adihevitra atao amin'ny aterineto...

Fikatonan'ny Google Reader: Toetra Ratsin'ny Google?

Nanambara ny Google tamin'ny herinandro lasa fa hakatony amin'ny 1 Jolay 2013 ny tolotra mpamaky fahana RSS fanomeny, fantatra amin'ny hoe Google Reader. Mandalina ny dikan'ity fanakatonana ity ho an'ilay orinasa sy ho an'ireo mpampiasa azy io ireo mpampiasa miteny Espaniôla.

Kirizy Any Sabah Taorian'ny Olana Saro-bahàna Tany Malezia Niaraka Tamin'ireo Filipiana Mitam-piadiana

Sabah dia anatin'i Malezia nefa ny Soltàna avy amin'ny Fiiipina dia mitaky mafy ny anjarany amin'ny fanjakàna. Ireo mpanara-dia azy mitam-basy dia nanjanaka faritra tao Sabah tamin'ny volana Febroary nefa nofaranan'ny tafika Maleziana malaky izany fanjanahantany izany. Tapitra ny olana saro-bahana fa mbola mitohy kosa ny kirizy.

Pôlitikan'ny Zava-mahadomelina Sy Ny Drôna Any Shina

Novonoin'i Shina ny 1 Martsa 2013 teo ny mpanjakan'ny zava-mahadomelina any Myanmar Naw Kham sy ireo mpikambana ao amin'ny tarika misy azy, Hsang Kham avy any Thailand, Yi Lai, ary Zha Xika avy ao Laos, taorian'ny nanamelohana azy ireo ho namono tantsambo Sinoa 13 tany amin'ny onin'i Mekong tamin'ny 2011....

Hampiroborobo ny ‘Fiarahamonina miara-mientana’ ve ny tetibola 2013-n-i Singapore?

Azo antoka ny tetibola 2013 fa hiezaka ny mba hanome izay ilain’ireo singaporean mikasika ny : fameperana entitra mikasika ny asa any ivelany, ny valisoa sy sazy mba hampitomboana ny vokatra avy eto an-toerana, rafitra ara-ketra mivoatra kokoa, fepetra maro mba hanamaivanana ny vidin’ny trano sy ny fiara. Avy amin’ny...

Ny Big Wet: Anatin'ny Gripan'ny Tondra-drano Ny Any Avaratr'i Aostralia

Doro tanety tsy voafehy no mitranga any Victoria ary tondradrano goavana kosa no misy any Queensland sy ny Avaratry New South Wales any Aostralia. Fintinin'i Nick Evershed ny fihetseham-po nasionaly mikasika ny volon'andro faramparany teo sy ny ifandraisan'izany amin'ny teotrandro: "Aostralia: raha tsy mirehitra izy dia mety ho dibo-drano izay."

‘Afaka Manampy Manazava Amin'Izao Tontolo Izao Mikasika an'i Katalonia ny Global Voices’

Dinidinika niarahana tamin'i Violeta Camarasa, mpamoaka lahatsoratra amin'ny fiteny Katalana ao amin'ny Global Voices Online. Nasehon'ny Global Voices Català nandritra izay volana maro lasa izay fa manana ny traikefa hanazava amin'izao tontolo izao mikasika an'i Katalonia izy, manampy ny vaovaon'ny haino aman-jery fototra izay tsy mandraharaha ny tantara eo amin'ny...

Miampanga Ireo Refôrmista Hiditra Am-ponja 10 Ka Hatramin'ny 11 Taona Ny Fitsarana Saodiana

Vao marainan'ny 9 Martsa, namoaka ny valim-pitsarany ny Lapam-pitsarana misahana ny Heloka Bevava any Riyadh mikasika ireo reformista roa sady mafana fo amin'ny zon'olombelona Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid, taorian'ny fiampangana azy ireo ho “tsy nankatò ny mpitondra sy ny mpandimby azy” sy ny “fikasana hanakantsakana ny fivoaran'ny firenena”. Voampanga...