Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Marsa, 2012
‘Mujeres Construyendo': Fampivoarana Ny Vehivavy, Bilaogy Iray Amin'ny Fotoana Iray
Mujeres Construyendo, sehatra voalohany ho an'ireo vehivavy bilaogera amin'ny teny Espaniola dia te-hamadika ireo vehivavy miteny Espaniola ho lasa mpamorona votoaty ety anaty aterineto. Mitafa amin'ny mpamorona azy io izahay, Claudia Calvin, mikasika ny firoboroboan'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogera.
Shina: Resaky Ny Mpiserasera Momba Ny Zanabolana Alefan'i Korea Avaratra
Nanambara i Korea Avaratra Tamin'ny 27 Martsa 2012 fa tsy hilaozany ny tetikasany handefa zanabolana amin'ny tapaky ny volana Aprily na dia eo aza ny fitsidihana avo lenta nataon'ny Filohan'i Etazonia Barack Obama tao Korea...
Miangavy #AlalahoNyBoky Ny Arzantiniana
Nampirohondrohona ny fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy ao Arzantina indray ny famerana vaovao momba ny fanafarana boky. Amin'ny alalan'ny Hitsivolana 28/2012 [es] (noforonina ny 28 Febroary 2012), ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Tetibolam-Panjakana [es] ao...
Meksika: Ireo Hetsi-Panoherana sy Fankalazana Nanamarika ny Fitsidihan'ny Papa Benoà
Nandritra ny andron'ny 23, 24, 25 ary 26 Martsa 2012, Joseph Aloisius Ratzinger (fantan-daza amin'ny anarana hoe Papa Benoà XVI), Filoham-pirenen'ny Tanàna ao Vatikana sy Papan'ny Fiangonana Katolika, no nanao...
Kiobà: Iza No Hotohanan'ny Papa?
Tamin'ny 26 Martsa, tamin'ny 2:00 ora tolakandro, ora ao an-toerana, tonga tao Santiago ao Kiobà ny Papa Benoà XVI, izay fitsidihana faharoa nataon'ny Papa Ray Masin'ny Fiangonana Katolika ao amin'ny...
Malawi: Ny Fihaonana Tamin'ny Mpisolovava Be Mpanaraka Indrindra Ao Amin'ny Facebook Ao Malawi
Nanjary iray amin'ireo sehatra lehibe amin'ny fampitam-baovao misongadina farany sy amin'ny adihevitra sosio-politika ao Malawi ny Facebook. Ohatra, ny fisamborana ilay mpisolovava fanta-daza an'i Malawi sy ilay mpitolona Ralph Kasambara tamin'ny volana Febroary 2012, nisarika...
Chile: Mifanakalo Hevitra Momba Ny Fampiatoana Vohoka Noho Ny Antony Ara-Pahasalamana Ny Twitter Raha Mbola Mihainohaino Kosa Ny Antenimieran-doholona
Raha mitohy hatrany manemotra ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fanaovana ny fampiatoana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana ny Antenimieran-doholona, mitohy tsy mitsahatra kosa ny fifanakalozana fomba fijery ao anatin'ny habaka cyber Siliana, indrindra fa taorian'ny fifanakalozan-kevitra tanaty fandaharana roa tao amin'ny fahitalavitra Siliana mikasika io olana io.
Puerto Rico: Gresy Vaovao Ve?
Ilay manam-pahaizana mpandalina ny ara-bola Cate Long, ao anatin'ny bilaoginy Reuters.com, dia manasongadina ny fitoviana misy eo amin'ny toekaren'i Puerto Rico sy Gresy. Nanjary lasibatry ny fanakianana avy amin'ny fitantanan'ny governoran'i Puerto Rico, Luis Fortuño, ny fandalinana nataony. Nampanakoako izany halemen'ny toekaren'ilay nosy Karibeana izany ireo tambajotra sosialy sy bilaogy maro.
Kiobà: Mitodika Any Amin'ny Hoavin'ny Kiobà Ny Lahatenin'ny Papa Benoà XVI
Tao amin'ny firenena Karaiba, lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter ny fahatongavan'i Papa Benoà XVI tao Santiago ao Kiobà. Raúl Castro sy ny anaran'ny faritany Andrefana no tena anisan'ny lohahevitra be...
Nikaragoa: Horonantsary Momba Ny Vokatry Ny Lahatsarim-betaveta An-tsokosoko Mitady Fanohanana Ara-bola
Andianà mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika efa nahazo loka no tonga niaraka tany ambanivohitr'i Nikaragoa mba hamokatra horonantsary momba ny fiantraikan'ny fanodinana an-tsokosoko lahatsarim-betaveta ataon'ireo tanora izay lasa hitan'ny sarambabem-bahoaka aty aoriana noho ny tsy fitandremana. Mitady tohana ara-bola fanampiny ry zareo mba hamenoana ny saran'ny fipetrahany ao Matagalpa, Nikaragoa, ary ny vola rehetra voaangona dia holaniana ao an-toerana ihany