Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Novambra, 2011
Resadresaka Niarahana Tamin'i Izumi Mihashi Avy Amin'ny GV Lingua Japoney
Ny momba an'i Izumi, ny fahombiazany amin'ny fitarihany ny fakàna mpikambana vaovao sy ny fanangànana ny ekipa misahana ny Lingua Japoney, ny dingany manaraka, sy ireo eritreritra mikasika ny manodidina ny Aterineto any Japana.
Pays-Bas (Nederlandy): Vanim-potoanan'ny Fety, Fiakanjoana…Ary Fanavakavahana?
Taona vitsy lasa izay "Zwarte Piet" (Pete mainty ), ilay naman'i Saint Nicholas mainty hoditra nandritra ny fotoanan'ny ririnina tao Nederandy, dia lasa adihevitra be satria nisy ireo tezitra tamin'ny fiakanjon'izy ireo, isan'izany ny tarehy miloko mainty.
Yemen : Hanao Sonia Ny Fifanarahana GCC Izay Lavin'ny Tanora Ve I Saleh ?
Efa niandry am-paharetana 10 volana be izao ny Yemenita mba handraisan'ny filoha Ali Abdullah Saleh fanapahan-kevitra hiala. Ankehitriny, nilaza izy fa hanao sonia ilay fianarahana GCC izay mamindra ny fahefana any amin'ny lefiny. Naneho ny heviny momba ilay vaovao ireo mponina tao ambany tenifototra #No2GCCdeal tao amin'ny Twitter.
Ejipta: Fitsaram-bahoaka Ho Fiatrehana Ny Habibian'ny Polisy
Navoakan'ireo mpampiasa ny media sosialy ao Ejipta ny mombamomba ilay manampahefana ao amin'ny polisy voampanga ho nanao ny mason'ireo mpano hetsi-panoherana ho lasibatra. Mitatitra ny fipongaran'ny fitsaram-bahoaka maro samihafa ao amin'ny firenena i Tarek Amr.
Aostralia: Mampizarazara Ny Firenena Ny Lalàna Vaovao Manan-tantara Momba Ny Vidin'ny Entona Karbona
Farany, tamin'ny 8 Novambra 2011, ny Parlemanta Federaly Aostraliana dia nandany ilay Volavolan-dalàna nahabe resaka momba ny Angovo Madio. Ny lalàna dia nampiditra hetra $A 23 isaky ny taonina amin'ny entona karbona hatramin'ny Jolay 2012, mitarika mankany aminà fandraharahàna ara-barotra momba ny famokarana entona (cap and trade) aorian'ny 3 taona. Mifamahofaho be ny fanehoan-kevitra eo anivon'ny aterineto.
Arabia Saodita: Hatezerana Noho Ny Kàpoka 10 Ho Anà Vehivavy Namily Fiara
Enim-bolana lasa izay, nitondra ny fiarany teny an-dàlambe iray tao Jeddah i Shaima Jastaniya. Tamin'ny Septambra, voasazy handray vely karavasy 10 i Jastaniya noho izany. Nahazo fiantsona hiseho eny amin'ny fitsaràna ireo vehivavy roa mpanao gazety nitatitra ny fanasaziana azy.
Ejipta : Fanaingan-tsoroka Revolisionera Tamin'ny Fametraham-pialanà Kabinetra
Ny Kabinetran'i Dokotera Essam Sharaf dia vao avy nanontany raha afaka ny hametra-pialana izy ireo ary ny Supreme Council for Armed Forces(SCAF) na ny Filankevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana dia mbola eo an-dalam-pandraisana fanapahan-kevitra na ho ekena ilay fametraham-pialana na tsia. Ho an'ireo mafàna fo sy mpanao hetsi-panoherana niady tamin'ny polisy sy ny miaramila ao anatiny sy ary manodidina ny kianja Tahrir efa ho telo andro izao , dia tsy nitondra zava-baovao teo ambony latabatra ilay vaovao. Ny zavatra tena nangatahan'izy ireo dia ny hialan'ny SCAF eo amin'ny fitondrana ary hanome ny fahefana amin'ny governemanta sivily.
Filipina : Nosamborina Ilay Filoha Teo Aloha
Ilay Filohan'i Filipina teo aloha Gloria Arroyo dia napetraka eo ambany 'fanaraha-maso ao amin'ny hopitaly' taorian'ny niampangana azy tamin'ny fanakorontanana fifidianana. Fanehoan-kevitra anaty aterineto maro no nahatonga ilay tenifototra #ArroyoArrest ho iray amin'ireo lohahevitra malaza indrindra eran-tany.
Korea Avaratra: Mampatahotra an'i Kim Jong Ve Ny Famonoana Natao An'i Gaddafi?
Koreana Tavaratra nitsoaka ny fireneny lasa mpanao gazety manoratra ao amin'ny bilaogy antsoina hoe North Korea RT (Real Talk) i Joo Sung. Teraka tao Korea Avaratra Andriamatoa Joo ary nahavita fianarana ambony tao amin'ny oniversite Kim Il-sung, iray amin'ireo oniversite manan-danja indrindra ao Korea Avaratra. Niala tao an-tanindrazany izy ny taona 1998 ary...
Ejipta : Ireo Fanjakana Kely Ao Cairo
Noheverinao ve izany fa i Cairo dia tanàn-dehibe iray? Ny tena marina, fitambaranà fanjakana kely maro izy io ary tsy mifampiankina . Ao amin'ity lahatsoratra ity, ilay bilaogera Karim Shafei dia manazava amintsika ny tena fomba fihodin'i Cairo.