Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Septambra, 2010
Azia Atsimo: Ireo mpitoraka blaogy miresaka ny ‘Andro fandoroana Korany’
Tamin'ny herinandro lasa teo dia nahatonga resabe tany Etazonia sy eran-tany ny pastora Terry Jones noho ny fikasany hanao hetsika fandoroana Korany mba hanamarihana ny tsingerintaonan'ireo fanafihana ny 11 Septambra 2001. Indreto ny resak'ireo mpitoraka blaogy sasany avy any Azia Atsimo.
Arabia Saodita: Antso ho an'i Obama hamoahana an'i Humeidan Al-Turki
Namoaka fanentanana hatolotra ny Filohan'Etazonia Barack Obama ny firenena Saodia, nangataka azy mba hamoaka ny gadra Saodiana Humeidan Al-Turki. Al Turki. Lasa "viral" ilay horonantsary ary manatena ireo mpanohana fa hahatratra ny tanjony izany.
Azia Atsimo-Atsinanana: Durian, ny “mpanjakan'ny voankazo”
Ny durian no "mpanjakan'ny voakazo" any Azia Atsimo-atsinanana. Fantatra amin'ny fofony sy ny tsirony mahery izy, izay itiavana sady ankahalàn'ny olona maro azy. Ato amin'ity lahatsoratra ity, mizara ireo 'tantaran'ny durian' ireo mpitoraka blaogy.
Rosia: Ny zava-niainan'ny mpitoraka bilaogy Isiraeliana tany amin'ny Hopitaly Rosiana

Betsaka ireo olona miaina ny fiainany ka tsy manam-potoana akory ny hijery ireo zavatra fahita amin'ny andavanandro amin'ny fomba fijery vahiny. Indraindray mila mankany ivelany ianao vao mahalala kokoa ny...
Japana: Mampiketrona ny fiakaran'i Sina ho laharana faharoa
Nanaiky ny Governemanta Japoney tamin'ity volana ity fa nalain'i Sina ny fandreseny. Kanefa tsy dia nahataitra loatra ny ankamaroan'ireo mponina Japoney ity fanambarana ity izay nanampo ny hitrangan'izany na ho ela na ho haingana ary nahatonga ireo mpitoraka blaogy maro hampikentrona ny volo-mason'izy ireo sy hiteny hoe: dia maninona?