· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Jolay, 2010

Myanmar: Resaka manodidina ny amboara eran-tany

  12 Jolay 2010

Nahazo ny aretin'ny amboara eran-tany 2010 i Myanmar. Lasa ara-dalàna ny herinaratra any amin'ny renivohitra, afaka mijery ireo lalao maimaim-poana eny amin'ireo fahitalavitry ny fanjakana ireo mpankafy, misokatra mandritry ny sasak'alina ireo bara sy ireo fisotroana dite, ireo gazety ny fanatanjahan-tena dia nahazo fahazahoana hamoaka vaovao isanandro, ary maro ireo mponina faly fa avy any Myanmar ireo mpandihan'i Shakira tamin'ilay hira Waka Waka.

Japana: Ilay Mahery fo, Sakamoto Ryoma

  11 Jolay 2010

Matoky tena, hentitra sy to teny, ary kinga fatratra, Sakamoto Ryoma (坂本龍馬) dia iray amin'ireo olon'ny tantara tian'ny Japoney indrindra foana. Vao nanomboka nandefa ny tantara mitohy Ryomaden (龍馬伝: 'Ny tantaran'i Ryoma') ny NHK tamin'ny volana Janoary, dia teraka ny fankafizana an'i Ryoma manerana ny firenena.

Brezila: Ny baolina kitra sy ny fitiavan-tanindrazana nandritra ny mondialy

  10 Jolay 2010

Maro ireo mpitoraka bilaogy any Brezila no nanakiana ny fivadibadiky ny onjan'ny fitiavan-tanindrazana niseho tamin'ny fiadiana ny tompon-dakan'ny amboara eran-tany . Endriky ny foto-kevitra fasista ny fitiavan-tanindrazana ho an'ny sasany, raha toa ka midika fahadisoam-panantenana kosa ny ekipa Breziliana ho an'ny hafa ka aleon'izy ireo manohana ny ekipam-pirenen'i Arzantina .

Brunei: Miteraka resabe ao amin'ny aterineto ny fisarahan'ny Mpanjaka

  07 Jolay 2010

Tamin'ny volana lasa teo iny, nanambara ny fisarahany tamin'ny vadiny fahatelo avy any Malezia ny Sultanan'i Broney. Taorian'ny fanambarana dia samy nimonomonona mikasika ilay vaovao avokoa ireo twitters sy blaogy, na izany avy any Malezia, na avy any Broney. Maro no naneho ny alahelony raha ny hafa kosa maminavina izay mety ho anton'ilay fisarahana.

Masedonia: Dingana folo hitantanana repoblika fôpla

Kopach, mpanoratra matoandahatsoratra ho an'ilay vohikala tsy miankina Okno.mk, no namoaka lisitra iray [MKD] mitondra ny lohateny hoe “Fomba 10 hitantanana fitondràna anaty tanin'akondro.” Ilay mpanoratra mitondra ny solon'anarana midika hoe “Mpihady” amin'ny fiteny Masedoniana, dia nanoratra fa nahazo aingam-panahy sy nampiasa ireo boky Year 501: The Conquest Continues [taona...

Jordania: Vita avy any Israely

Ny fahitana ireo entana vita avy any Israely dia mbola miteraka hatairana manerana ireo firenena Arabo. Osama Al Romoh avy any Jordania dia mampiseho ny hatairany (Ar) rehefa nahalala fa manome akanjo famoahana voafono kitapo vita avy any Israely an'ireo mpianany ny Anjerimanotolo lehibe iray.