Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Febroary, 2017
Ao Moldavia, Mitsangana Hanohitra ny Lalàna “Big Brother” Ny Fiarahamonina Sivily
Teren'ny fiarahamonina sivily, miady hevitra ireo mpanao lalàna Moldaviana raha hanova ny volavolan-dalàna manome fahafahana hanaramaso faobe, antsoina hoe Lalàna "Big Brother", na hitaky tolo-kevitra vaovao tanteraka avy amin'ny governemanta.
Bhutan : Noraràn'ny Manampahefana ny Horonantsary Iray Noho ny ‘Fampiasàna Fahatany’ Ireo Sarontava Fampiasa amin'ny Fivavahana
"Tsy fandraràna ny horonantsary fotsiny io fanapahankevitra tery saina io fa fandraràna ny fahalalahana amin'ny fitenenana sy ny famoronana any Bhutan koa."
Bahrain: Nanamafy Ny Famoretana Haino Aman-jery Talohan'ny Tsingerintaonan'ny Hetsi-panoherana
Tamin'ny 16 Janoary, nandràra ny famoaham-baovaon'ilay hany gazety tokana tsy miankina ao amin'ny firenena, al-Wasat ny governemanta, tsy "hampiasa fitaovana haino aman-jery elektronika".
Polisy Rosiana, Very Fomba Iray Tsotra Hamandrihana ireo Mahery Fihetsika Amin'ny Aterineto
Tamin'nyTalata 24 Janoary, raha nanitsy ny iray amin'ireo tefiny momba ny fiainana manokana, nampihena be ny isan'ny sary nozaraina ho azon'ny rehetra jerena hita tany anaty pejy manokana ny Vkontakte. Tamin'ny talata, raha nanitsy ny iray amin'ireo tefy momba ny fiainana manokana, ny tambajotra sosialy Vkontakte nampihena be ny isan'ny tahirin-tsary nozaraina am-pahibemaso hita any amin'ny pejin'ny kaonty manokana.