Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2015

Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Novambra, 2015

Niova hevitra i Rosia, nangataka tamin'ny Twitter amin'ny hametrahana ny rakitahirin'ny Rosiana ho ao an-toerana ihany

Teo aloha ny Roscomnadzor niteny fa afaka amin'ny fepetran'ny lalànan'ny fametrahana fangitra rakitahiry ny Twitter satria tsy azo heverina ho "fampahafantarana manokana" ireo rakitahiry nangonin'ny Twitter.

Hahazo Fahefana Ivelan'ny Lalàna Hanakatona Habaka Ny Mpanara-maso Ny Aterineto Ao Rosia

Afaka manakatona tranonkala ho an'ny mpiserasera Rosiana tsy misy didy avy amin'ny fitsarana ny Roscomnadzor, saingy mbola azon'ireo mpiserasera ivelan'i Rosia jerena izany—miitatra ny fahefan'ny Roscomnadzor.

Netizen Report (Tatitry Ny Mpisera Anaty Aterineto): Mitady Vaha-olana Amin'ny Fitsipiky Ny Angon-kevitra Ao Amin'ny Vondrona Eoropeana Ny Kaompanian'ny Teknolojia Amerikana Aty Aorian'ny Tontolon'i Snowden

Mamoaka ny lisitra maintin'ny Aterineto amin'ny fomba fanao Rosiana i Okraina, navotsotr'i Kiobà ilay mpanakanto-bilaogera "El Sexto" rehefa notànana 10 volana an-tranomaizina, ary nogadrain'i Bahrain noho ny fanompàna ny mpanjaka i Zainab Al-Khawaja.

Tantara an-tsarimiaina ‘South Park’ Nampiseho Ny Filohan'i Shina Manoroka Vehivavy. Iza Io Vehivavy Io?

Niahiahy ireo Shinoa mpankafy ny tantara an-tsarimiaina South Park, fa mety ho voaràra ny tantara noho i Xi Jinping manoroka vehivavy miteny Koreana izay tsy vadiny amin'ny fiafaran'ny tantara.

Vehivavy Hongroà Voasazy HAndoa Onitra Fa Nanoratra Momba Ny Fandaniam-bola Ataon'ny Fanjakana Tao Amin'ny Facebook

Nanomboka fanentanana iray miainga avy eny ifotony ho fanohanana an'i Maria Somogyi ny Fikambanana Hongroà Ho an'ny Fahalalahana Sivily (HCLU) ho ampahany amin'ny asany hampiatoana ny fanararaotana ireo lalàna momba ny fanalàna baràka.

Brezila: Tsy Te-Hahita Ny Anarany Ety Anaty Tranonkala Ireo Mpanandevon'ny Vaninandro Maoderna

Didim-pitsaràna isankarazany no nitondra ho amin'ny fanivànana ilay "lisitra maloto" tao Brezila, ahitàna ireo orinasa mampiasa ny fomba fampanaovana asa an-terivozona

Mihevitra Hampiditra Ny ISIS Ho Ao Anatin'ny Lisitry ny “Fikambanana Tsy Miankina Tsy Iriana” Ny Mpanao Lalàna Rosiana

Voalaza fa manomana lisitra fanampiny vaovao ao anatin'ny "lisitra-farany" misy ireo fikambanana tsy miankina ny loholona, mitady handràra ireo vondrona vaovao maromaro, anisan'izany ny vondrona ISIS mahery fihetsika tsy ara-dalàna sy efa voaràra ao Rosia.

Miahiahy ny mpiserasera fa natao hamalifaliana ny manampahefana shinoa ilay Lokan'ny Fandriampahalemana Confucius mampiady hevitra

Tsy manana ifandraisany amin'ny loka, izay nanolotra izany tamin'ny filohan'i Zimbabwe, Mugabe, tamin'ity taona ity ny governemanta shinoa. Saingy tsy nanakana ny fanivanana ireo fanehoan-kevitra mitsikera sy ireo mitabataba amin'ny antoko komonista izany.