Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Aogositra, 2015
Nosakanan'i Rosia Ny Lahatsarin'ny Euronews Iray Noho ny Fanehoan-kevitry Ny Mpiserasera “Extremista” Iray
Nanakana lahatsary Youtube iray hafa indray ireo mpanivana Rosiana na dia tsy nandika ny lalàna Rosiana aza izany lahatsary izany fa fanehoan-kevitry ny mpiserasera iray tao amin'ny lahatsary no nahatonga ny Roscomnadzor handràra ny pejy manontolo.
#AtTheEdge (Eo Amin'ny Rirany) : Fanentanana Mihantsy Ny Sivan'ny Haino Aman-Jery Any Malezia
" Toy ny andrana atosiky ny fitiavan-tena tafahoatra mba hampanginana ireo maleziana te-hahalala zavatra ny fihetsiky ny Ministera amin'ny fotoana maha-betsaka kokoa ny fanontaniana noho ny valiny azo omena momba ireo barofo goavana ara-bola. "
Manakombona ny Vavany amin‘ny “Scotch” Ny Mpiangaly Mozika An’Arabe Ao Maosko Mba Hanoherana Ny Famoretana Ataon’ny Polisy
Ny mpiangaly mozika an’arabe ao Maosko maneho fanoherana amin’izay lazainy ho fanagadràna tsy ara-dalàna ataon’ny polisy sy ny sazy ara-bola mihoa-pampana manitsakitsaka ny zony sy ny fahalalahany ara-javakanto.
Tsy Ireo Vondrona Mpikirakira Rongony Intsony No Loza Lehibe Indrindra Mitatao Ho An'ireo Meksikana Mpanao Gazety
Ankehitriny, ireo tomponandraiki-panjakana sy polisy no ahiahiana ho nanao ny ankamaroan'ireo fanafihana mpanao gazety.
Fihetsiketseham-panoherana noho ny nampiatoan'i Malayzia gazety roa namoaka trangan-kolikoly
"Tsy azontsika hohadinoina velively ankehitriny ny fihoaram-pahefana. Azonao atsahatra ny Ny Morony fa tsy azonao aato ny marina!!"
Manokatra ny Varavarany Amin'Ireo Kilalao An-tsary Avy Any Ivelany Ihany i Shina Nony Farany
Nanala ny fandraràny ny famarotana kilalaon-tsary ihany nony farany i Shina. Fiandohan'ny vanim-potoana vaovaon'ny kilalao an-tsary filalao ao an-trano ve io?
Ireo Lalànan'Aterineto Rosiana ‘Henjana dia Henjana’ Tsy Raharahian'ny Manampahaizan'ny Indostria ao An-toerana
Voalaza ho "lozabe" sy voampanga ho mametra ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera ny lalànan'aterineto rosiana. Saingy ny fanadihadiana natao vao haingana no namoaka fa kely dia kely monja no mba fantatry ny manampahaizana ao amin'ny indostria an-tserasera rosiana.
Novahan'i Iran tamin'ny ampahany ny fandrarany ny BBC
Manana ny lanjany tokoa ny fampahalalam-baovao any amin'ny firenena manara-maso akaiky ny zavatra avelany hivoaka ho hitan'ny vahoakany. Mila alalana manokana mihitsy vao afa-manangom-baovao tahaka izao atao amin'ny BBC World izao. Ny antsika Malagasy anefa ity toa misy avela hiteniteny foana.
Gazety Henja-Pisainana Nakaton'i Iran fa Nanohitra ny Fifanarahana ara-Nokleary
Na mpanohana ny fitondrana aza dia mety akaton'ny birao mpanaramaso ny gazety ao Iran.
Gadra Politikan'i Azerbaijan sy ny Tetipanoron'ny Fitondram-Panjakana
Ahoana ny amin'ireo mpanatrika mangina mameno avy hatrany ny toerana rehetra amin'ny efi-pitsarana ireo gadra politika manana ny lanjany ao amin'ny firenena?