Tantara mikasika ny Sivana tamin'ny Febroary, 2015
Mpanao Hatsikana ao Espaina Miatrika Fiampiangana Ho “Manandratra” Fampihorohoroana

Ny ampitson'ny fanafihana ny gazetiboky mpanesoeso Charlie Hebdo tao Frantsa, nampiantso ilay mpanesoeso Facu Díaz ny fitsarana Espaniola mba hanadihady azy momba ny tantara mananihany navoakany tamin'ny fampisehoana tamin'ny fahitalavitra antseraserany.
Mirodana Ny Fahalalahan'ny Media Ao Bolgaria

Mbola miharatsy ny fahalalahan'ny fampitam-baovao ao Bolgaria tao anatin'ny taona vitsivitsy izay ary mbola nihintsana laharana 13 izy tamin'ny fampilaharana nataon'ny Reporters Sans Frontieres tamin'ny 2014.
Iran: Tandindonin-doza Ny WhatsApp, Line sy Tango – Tsy Mifanara-tsaina Ny Filoha Sy Ny Fitsarana

Nolavin'ny Minisitry ny Kolontsaina, Ali Jannati, ny hiteny hoe ny governemanta no nanomana ny fametrahana fandraràna ny tolotr'ireo fampiasa telo ireo, saingy nohamafisiny fa mbola mijanona ho azo idiran'ireo mpampiasa aterineto ao Iran izy ireo
Sazian'ny Governemanta Makedoniana Ny Fakàna Sary Fihetsiketsehana Amin'ny Drôna
Nanampy tamin'ny fampisehoana ny haben'ny hetsika goavan'ny mpianatra vao haingana ny sary sy lahatsary nalaina tamin'ny drôna, fihetsiketsehana lazaina ho goavana indrindra tao Makedonia hatramin'ny fahaleovantena.