Tantara mikasika ny Sivana
Na Tsy Betsaka Aza Ny Fampiasana Ny Aterineto, Sakanan'i Borondi Ny Viber Sy Ny WhatsApp
Latsaky ny 2% amin'ireo mponina miisa 10,2 tapitrisa ao Borondi no mampiasa Aterineto. Nefa nosakanan'ny governemanta ny Viber sy ny WhatsApp tamin'ity herinandro ity, tao anatin'ireo fihetsiketsehana.
Mihahenjana ny adim-pahefana ao Venezoelà, voasakana ny aterineto sy voasivana ny fampitam-baovao
Miverimberina ny fanakanana ny fidirana amin'ny aterineto ary voasivana ny onjam-peo raha miha-henjana ny krizy politika ao Venezoela.
FANAVAOZANA: Famotsorana Blaogera Gambiana Raha Ny Hatezerana Kosa Mitombo
Navotsotra i Jaw raha niomana hanao fihetseketsehana maro ireo mpianatra mba ho fitakiana ny famoahana tsy misy hatak'andro azy. Niteraka fanenjehana goavana teny anaty media sosialy ny fisamborana ilay blaogera tanora sady mpikatroka.
Na mandràra ny Facebook na tsia i Papouasie-Nouvelle-Guinée, milaza ireo mpitsikera fa mbola voarahona ny fahalalaham-pitenenana
"Raha matotra amin'ny fiarovana ny olom-pireneny amin'ny aterineto ny governemanta, dia ny fametrahana tontolo izay ahafahan'izy ireo mampiasa aterineto no tokony ho tanjona, fa tsy ny fanakatonana ny ampahany amin'izany."
Netizen Report: Manohintohinana ny fahalalaham-pitenenana indray, nandany lalànan'ny heloka antserasera ny parlemanta ao Ejypta
Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena, sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany.
Fa naninona i Shina no nanaisotra an-tserasera ny filma propagandiny? Notondroin'ny mpiserasera ny fanasaziana ara-teknôlôjian'i Etazonia
Miahiahy ny mpiserasera fa noraràna ilay filma noho ny fanasaziana vaovao nataon'i Etazonia tamin'ny ZTE, orinasan-tshinoa miandraikitra ny rindrambaingam-pifandraisandavitra.
Mitoka-Monina i Joseph Kabila Noho ny Fitarazohan'ny Fanomanana Fifidianana Taona 2018
Fotoana fanararaotra io fivoriana maharitra telo andro io ho an'ny mpanohitra hanehoana ny fanohanany ny fikarakarana fifidianana « azo inoana sy mangarahara »
Aza Antsoina Hoe “Xi, ilay Pao (Mofo)” — Nogadraina Ireo Mpiserasera Shinoa Noho Ny Vazivazy Tamin'ny Karajia
Mampiseho ireo tranga telo ireo fa ny resadresaka amin'ny karajia ao Shina dia eo ambany ny fanarahamaso ary azo ampiasaina ho porofo amin'ny fanenjehana heloka bevava ireo karajia voarakitra.
Mbola Manivàna Ny Tranonkalan'ny Mpifanandrina sy Mpitsikera Indray Ny Manampahefana Palestiniana
Mpitsikera ny Manampahefana Palestiniana sy ny Filohany, Mahmoud Abbas, ireo tranonkala voasakana.
Ny Tatitry Ny Mpisera: Fahatapahan'ny Aterineto Indray ao Iràka sy Kamerona
Herinandro fahatelo tsy misy aterineto any Kameroina. Nanameloka lehilahy roa noho ny lahateny 'mampisara-bazana' tao amin'ny Vkontakte i Okraina, ary tsy mahazo mampiasa Facebook ireo Alzeriana mpisolovava.