Tantara mikasika ny Sivana tamin'ny Marsa, 2015
Netizen Report: Taokanto, Firaisana Ara-nofo Ary Ny Habaka Sosialy
Miatrika sivana ao amin'ny Facebook ny mpanao zavakanto ary arangarangan'ny Loholona Amerikana, Ron Wyden, fa indraindray dia tena midika fanaraha-maso mihitsy ny "cybersecurity" (fiarovana ny tontolon'ny habaka).
Nakatona Vonjimaika Nandritra Ny Fihaonamben'ny Hoavin'i Ejypta Ny Habaky Ny Mpanaramaso Ny Zon'Olombelona
Noesorina ny fanakatonana ny habaky ny Mpanaramaso ny Zon'olombelona tamin'ny fihaonambe ara-toekarena tao Ejipta rehefa nandefa fanairana tao amin'ny Twitter ny mpanao gazety iray.
Mitombo Avo Roa Heny ny Fangatahan'ny Governemanta ao Rosia Hanaisotra Vontoaty, Hoy ny Tatitry ny Facebook
Nanakana vontoaty 55 tao Rosia ny Facebook hatramin'ny Jolay 2014, izay nifototra tamin'ny fitakian'ny manampahefana Rosiana raha oharina tamin'ny fanakanana vontoaty 29 tontosa nandritra ny tapany voalohan'ny taona 2014)
Mampitodika any Amin'ny Zanakalahy ny Fandraràna ilay Horonantsary “Zanakavavin'i India”?
Tsy tonga lafatra ny horonantsary fanadihadiana momba ny tranga fanolanana tao Delhi tamin'ny taona 2012, saingy nanome tsiny ny governemanta ao India ny tsikera sasany noho ny fandraràna ilay horonantsary sy ny fangatahany tamin'ny Youtube mba hanakatona izany.
Okrainiana Mpanao Gazety Voafonja, Ny Rosiana Mpitandro Filaminana Ao Krime No Maka Am-bavany Azy
Noànan'ireo manamboninahitr ny FSB tao Krimea ary nalainy am-bavany ny mpanao gazety iray ao amin'ny Ivontoeran'ny Asa Fanaovana Gazety Fanadihadiana avy ao Simferopol, mifandray amin'ny resaka fanadihadiana heloka bevava momba ny "fiantsoana ny vahoaka ho amin'ny fisaratsarahana"
Tafaverin'ireo Mpikatroka Nomerika Amin'ny Toerany Ny Grani.Ru Sy Ireo Tranonkalam-baovao Hafa Voasivana
Mampiasa ny teknikan'ny didom-pitaratra manamaro isa ny fidirana amin'ireo habaka sivy voasivana sy hametraka ny dindony ao anatin'ny lohamilin'ireo orinasa goavan'ny aterineto ny mpikatroka hahamora ny fidirana aminy
Rahonan'ny Roscomnadzor Hakatona Tanteraka Ny Rakipahalalàn'ny RuNet
Mikasa ny hibahana ireo pejy miresaka " fampiasàna zava-mahadomelina sy vetaveta atao amin'ankizy" ao amin'ilay Lurkmore.ru rakipahalalàna momba ny kolontsaina ao amin'ny RuNet ny alika mpiambina ny fifandraisana Rosiana, saingy dia ilay tranonkala manontolo no hobahanany noho izy io mampiasa ny "protocols" https
Tsy Voasazy Ny Fanitsakitsahana Ny Lalàna Momba Ny Bilaogera Ao Rosia
Hatramin'ny nampanan-kery tao Rosia ilay 'lalàna ratsy laza momba ny bilaogera', fito volana lasa izao, 67 no fanitskitsahana azy voarakitry ny Roscomnadzor, saingy tsy iray monja ny bilaogera voasazy noho ny fanafintohinana na fahadisoana ara-pinoana.
Iran Anie Mba Te-ho Naman'ny Google
Tongava soa eto Iran ry Google, hoy ny manampahefana ao amin'ny governemanta, raha mbola manaja ny 'fepetra ara-kolontsaina' izy.