Tantara mikasika ny Sivana tamin'ny Novambra, 2014
Selfies, ‘Fihaonana Sandwich’ ary ‘The Hunger Games': Ahoana Ny Ihaikan'ny Mpikatroka Ny Lalàna Miaramila ao Thailandy
Lasa izay ny enimbolana nandrombahan'ny tafika ny fahefana sy nametrahana ny lalàna amin'ny tany miady [miaramila] ao Thailandy. Mandritra izany fotoana izany, mampiasa karazam-pihetsi-panoherana ny jadona miaramila ny olom-pirenena Thailandey.
Venezoela: Manokatra Lalam-Baovao Hanaovan'ny Manampahefana Sivana Antserasera Ny Volavolan-dalànan'ny E-Varotra
Manome fahefana vaovao hoan'ny CONATEL (Vaomieram-pirenena misahana ny Fifandraisan-davitra ao Venezoela) ny volavolan-dalàna vaovao momba ny e-varotra (varotra antserasera) mba hanakatonana ireo habaka hita fa manitsakitsaka ireo fepetra aman-dalàna mifehy izany.
Gambia: Bilaogera Voasambotra, Avy Eo Navotsotra Noho Ny Fitomboan'ny Fahatezerana Tao Amin'ny Aterineto
Navotsotra i Sait Matty Jaw, bilaogera raha saika nikasa hanatontosa fihetsiketsehana goavana ny mpianatra mba hitaky ny famotsorana azy.
Ny Andron'ny Fifidianana, Nanakatona Ny Vohikala @Verdade Mpilaza Vaovao Ao Môzambika Ny Fanafihana Anaty Aterineto
Ny ankatoky ny fifidianana io fanafihana io no niseho ary nahavita nanakatona ilay vohikala vantany vao nifarana mihitsy ny fifidianana ka hanisa vatom-pifidianana.