Tantara mikasika ny Fanadihadiana Tranga tamin'ny Jona, 2014
Palestina: Mametraka Amin'ny Alalan'ny Sary Ny Andavanandrom-Piainana

Sarotra ny zava-misy amin'ny andavan'androm-piainan'ireo Palestiniana - sarotra hoan'ny vahiny ny mahatakatra. Saingy miady amin'izany amin'ny alalan'ny fampielezana ny teny ny Visualizing Palestine (Mampibaribary an'i Palestina), manangana famoronana hita maso mamariparitra ny zavamisy marina ao Palestina sy Israely.
Manampy Ireo Bangaldeshita Mpianatra Hamaky Teny Amin'ny Tendron-dRantsa-Tanana Ny Crowdsourcing

Tetikasa vaovao mampiasa Unicode sy teknika crowdsourcing ny Banglabraille mba hamoronana boky fianarana hoan'ireo mpianatra sembana ara-pahitana an'aliny ao Bangladesh.
Nitondra Fifaliana Ny Fandaharana Amin'ny Onjam-peo Momba Ny Fahasalaman'ny Saina

Mampiasa ny herin'ny teny ho fitaovam-piadiana hampielezana fifaliana sy handraisan'ireo marary avy ao amin'ny Hopitalim-paritany mitsabo ny aretin-kozatra aman-tsaina ao an-tanànan'i Córdoba, ao Arzantina ny Radio Los Inestables, tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices tamin'ny taona 2013.