Tantara mikasika ny Fanadihadiana Tranga tamin'ny Septambra, 2012
Mizara Fahalalàna Manerana Ny Tendro Atsimo Ny LibreBus

Mizotra manerana ireo firenenan'i Shily, Arzantina, Orogoay ary Paragoay ny The LibreBus (Fiara Fitaterana Malalaka) ConoSur, mijanojanona ka mikarakara adihevitra sy atrikasa momba ny lanjan'ny fahalalahana miteny, ny rindrambaiko malalaka, ny fizaràna votoaty, ary ireo loharano fanabeazana misokatra.