Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Fanentanana tamin'ny Avrily, 2019

Kolombia: Nolavin'ny fitsarana momba ny lalàmpanorenana ny lalàna mifehy ny zon'ny mpamorona

Ny Alarobia alina 23 Janoary 2013, nanambara ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana Kolombiana fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny andininy faha-13 sy faha-14 ao amin'ny Lalàna 1520, izay fantatra kokoa amin'ny hoe "Lalàna Lleras 2.0", milaza ny fitsarana fa "mandika ny zo fototry ny fanehoan-kevitra sy ny fifandraisana" ny lalàna.

Fanenjehana Manoloana ny Tribonalim-Pitantanana: Atsaharo Ny Fanarahamaso Media Sosialy Ao Ejipta

Nitory teny amin'ny fitsaràna ireo vondrona mpiaro zon'olombelona ao Ejipta mba hampitsaharana an'ireo tetikasa an'ny ministeran'ny atitany mikendry ny hividy rindrambaiko iray hanaraha-maso ny fanehoankevitry ny daholobe sy ny fiainana manokana ety anaty media sosialy.

Fanangonana tahirin-kevitra momba ny mety hisian'ny sivana amin'ny tranonkala any Venezoela

Manangom-baovao momba ny fanakanana tranonkala any Venezoela ireo mpanoratra ato amin'ny Global Voices -- ary mila ny fanampianao izy ireo.

Bilaogera Arabo nitaky ny famotsorana ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona tany Syria

Fanambarana navoakan'ny mpandray anjara tamin'ny Fivorian'ny Bilaogera Arabo Fahaefatra, manohana ny famotsorana an'i Razan Zaitouneh, mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona sady mpiara-manorina ny Foibe Mitatitra ny Fanitsakitsahana ny Zon'olombelona ao Syria .

Arahabao i Bassel fa tsingerintaona nahaterahany ny 22 Mey

Nankalaza ny faha-33 taonany - ny fahatelo tao an-tranomaizina tany Damaskosy ny Alakamisy 22 May 2014 i Bassel Safadi.Tsy tianay i Bassel hankalaza ny tsingerintaona nahaterahany, irery any am-pigadrana. Tianay izy handre ny feonay miteny mafy sy mazava ary mahafantatra fa mbola manohana azy izahay amin'ny raharahany.

“Tsy Afaka Hanitsakitsaka ny Maha-Olona ny Hafa Isika Raha Tsy Efa Nanao Tsinontsinona ny An'ny Tenantsika”

Ny heloka bevava nataon'ireo blaogeran'ny Zone9 dia noho izy ireo sahy miaina ny "Ubuntu". Ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo no ampiroboroboan-dry zareo raha mitaha amin'ny an'ny isam-batan'olona manokana.