Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Novambra, 2018

Trinidad sy Tobago: Ny Fahasalaman'ny Praiminisitra

Taitra ireo vahoaka ao Trinidad sy Tobago omaly noho ny filazambaovao mikasika ny homamiadan'ny voa mahazo ny Praiminisitra Patrick Maning. Raha toa ka vitsy ireo blaogera no naneho hevitra ampahibemaso, tao anatin'ireo karajia manokana toy ny an'ny Facebook, nirehidrehitra ireo adihevitra mikasika ny vokatry ny toe-pahasalaman'i Manning.

Hiverina ao Iran i Hoder

Nanambara ilay Iraniana bilaogera monina ao Toronto, Hossein Derakshan, aka Hoder fa hiverina any Iran amin'ny herinandro ambony izy, na dia eo aza ny loza mety hitranga aminy.

Iray no maty tany Sri Lanka tao anatin'ny krizin-dalàmpanorenana

Nitarika fahafatesana mpanao fihetsiketsehana iray tao Colombo ny ady fahefana teo amin'ny praiminisitra Sri Lankey voaroaka sy ny praiminisitra vao notendrena.

Fandrahonana ho Faty an'i Hoder

Sahiran-tsaina amin'ireo fandrahonana ho faty voarainy sy ireo bilaogera hafa, nivoaka tao aminà bilaogy iray antsoina hoe Islamic Army, ilay bilaogera Iraniana, Hossein Derakhshan, fantatra koa amin'ny anarana hoe Hoder.