· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Marsa, 2011

Bahrain: Fanafihana mahery vaika!

Naparitaka androany maraina (16 marsa) ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny fiodidinan'i Pearl ao Bahrain(Lulu), miaramila sy polisy no nanao fanafihana mahery vaika tamin'izy ireo. Nitatitra ny Mpiserasera fa nitifitra tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso sy tamin'ny basy tamin’ ireo mpanao fihetsiketsehana ny fiara mifono vy, ny angidi-by ary ny miaramila mandeha an-tongotra, ary...

Bahrain: Taratasy avy any amina Bilaogera tamin'ny fidiran'ny tafik'i Arabia Saodita

Andia miaramila an-jatony avy any Arabia Saodita sy ny Vondrona Arabo izay eo ambany fiarovan'ny Filan-kevitra Fiaraha-miasan'ny Helodrano no tonga tao Bahrain ny Alatsinainy 14 Martsa  mba hanampy ny fitondrana amin'ny fanaraha-maso ny fihetsiketseham-panoherana misesisesy ny governemanta izay nanomboka ny 24 Febroary. Tsy misy olona mahafantatra hoe ahoana no nanapariahana ny...

Japana: Tahotra any Fukushima

  14 Marsa 2011

Ny andro taaorian'ny nandonan'ilay horohoron-tany manana tanjaka 8.9 an'i Japana, nisy fipoahana tao amin'ny Ozinina Famokarana Hery Nokleary any Fukushima Daiichi, 150 miles Avaratr'i Tokyo, dia sady nahatonga tahotra sy fikorontanan-kevitra tao amin'ny aterineto mikasika ny zavatra mety hitranga manaraka

Japana: Mamely ny morontsiraka ny tsunami, tsy mamela mahazo

  12 Marsa 2011

Manaraka ilay horohorontany goavana indrindra teo amin'ny tantaran'ity firenena ity, voakapoky ny tsunami mahery indrindra tany aminy indray i Japana. Miraikitra eo amin'ny Fahitalavitra ny vahoaka eraky ny firenena satria mandeha amin'ny vaovao ilay tsunami mihoatra ny 7 metatra izay mamafa ireo fiara sy ireo tranobe tojo ny zotrany.

Horohorontany mahery vaika indrindra teo amin'ny tantaran'i Japana

  11 Marsa 2011

Ny Zoma 11 martsa 2011 tamin'ny 2:46:23 hariva (ora any an-toerana), horohorontany  8.9 amin'ny maridrefin'ny fihovitry ny tany no namely an'i Japana, horohorontany mahery vaika indrindra teo amin'ny tantaran'i Japana. Indreto fitaovana  an-tserasera sasany izay nampiasan'ny olona hifandraisana sy hanomezana vaovao: Mpitady olona ao amin'ny Google Pejin'ny Facebook hizarana vaovao Lahatsoratr'i...

Filipina: Fanaraha-maso Tsunami sy Tsaho Horohorontany

  11 Marsa 2011

Taorian'ilay horohorontany nahery vaika namely an'i Japana, navoaka ny fampitandremana ny mety hisianà tsunami hamely faritra amorontsiraka 19 any Filipina. #Batanes sy #Samar dia lasa lohahevitra nironan'ny rehetra tao amin'ny twitter. Batanes dia ny faritra tena faran'ny avaratra raha i Samar dia miresaka ny tatitra diso hoe nisy horohorontany namely ny faritanin'i Samar.

Libya: Manohy ny fitifirana an'i Zawiya ny tafik'i Gadhafi.

Ity lahatsoratra dia fitantarana manokana momba ny Fihetseham-bahoaka taona 2011. Tifitra tamin'ny alalan'ny fiara mivono vy sy fitaovam-piadiana mavesatra tao Al Zawiya, ao amin'ny faritra avaratra-andrefan'i Libya, dia nanakoako tao amin'ny Twitter. Amin'ireo vaovao vitsivitsy avy an'i Libya fa nisy mpanao gazety voatana ao amin'ny hotely ao Tripoli miandry an'i Kolonely...