Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Novambra, 2018

Hetsi-panoherana Shinoa tamin'ny famoretana ny BBS

Nitatitra tao amin'ny China Digital Times i Xiao Qiang fa nanao hetsi-panoherana tamim-pahavitrihana an-tserasera - ary tamim-pilaminana kokoa ivelan'ny aterineto ireo mpianatra Shinoa- taorian'ny nanombohan'ny manampahefana Shinoa nametra ny fahafahana miditra amin'ireo famoaham-baovao an-tserasera manan-danja sasany ao Shina. Hoy i Xiao raha nitatitra :

Azia Atsimo: Fihetsehampo Voalohany tamin'ilay Horohorontany

Nisy horohorontany nahatratra ny maridrefy 7.6 Richter nikapoka an'i Azia Atsimo androany maraina, i Kashmir no foibeny. Maneho ny fihetsehampony ireo bilaogy.

Palestina: Hatezerana Noho ny Nahafatifaty Fahatany Zazalahy kely Iray

Araka ny tatitra iray nataon'ny BBC News, nitifitra zazalahy kely iray 10 taona ireo miaramila israeliana ary nahafaty azy nandritra ny fihetsiketsehana nanoherana ny sakana najoro tao Naalin. Na dia nitifitra an'ireo mpanao fihetsiketsehana hafa tamina bala fingotra aza ireo miaramila ary nandratra olona 18, io zazalahy kely io irery no...

Notoloran'i Sarajevo mariboninahitra maha-olompirenena i Bruce Dickinson

Notolorana ny mahaolom-pirenena Sarajevo amboninahitra i Bruce Dickenson avy ao amin'ny tarika Iron Maiden satria nankahery ny vahoaka tao Sarajevo izy nandritra ny fitsidihany tao amin'ity tanandehibe natao fahirano ity.

Tandremo! Tsy Hiaro Anao ny Yahoo!

Araka ny voalazan'ny Reporters Sans Frontieres, nanampy ny famonjàna ilay Sinoa mpanao gazety Shi Tao mandritra ny 10 taona ny fampahalalàna nomen'ny Yahoo!.

Manjaka “Ny Feon'ny Vahoaka”: Tsy Maintsy Anaovana Latsabato ao amin'ny Parlemanta Ireo Krizin'ny Praiminisitr'i Sri Lanka

Miantona ny toedraharaha politika ao Sri Lanka satria nalahatry ny filoha hanaovana latsabato ao amin'ny Parlemantera ny hanapahana hevitra amin'izay tokony ho praiminisitry ny firenena.

Voasakana ve ny blog-city tany Shina ?

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Hatramin'ny omaly tolakandro, nanomboka nosakanana tany Shina ny blog-city, BSP malaza. Mbola eo ambany fanivanan'ny GFW (Manda Aroafo Lehibe) izy ankehitriny, ilay tetikasa hamantarana ireo teny lehibe sy manakana tranonkala. Mbola hita any amin'ny tanibe Shina ny blog-city rehefa mampiasa ny...

Fandrahonana ny bilaogera Afghana

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ity lahatsoratra ity dia nesorina noho ny fangatahan'ilay bilaogera Afghana voakasik'izany, satria nisy ny vaovao nanova tanteraka ny tantara . Toy izao manaraka izao ny votoatin'ny lahatsoratra: Nahazo fandrahonana ho faty i “Sohrab Kabuli“, bilaogera Afghana sady mpandresy tamin'ny...

Noafahana ilay bilaogera Irakiana Khalid Jarrar

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ilay bilaogera Irakiana, Khalid Jarrar , izay nosamborin'ny polisy mpitsikilo Irakiana araka ny notaterinay dia navotsotra araka ny filazan'ny rahalahiny Raed sy ny reniny Faiza . Tsy mpankafy velively ny fisian'ny Amerikana any Iràka ny fianakaviana Jarrar. Ity zavatra...

Maneho Hevitra Momba Ny Star Wars Izao Tontolo Izao

Mikaroka ireo lahatsoratra momba ny Star Wars nosoratan'ireo bilaogera maneran-tany aho amin'ny alàlan'ny tenifototra starwars+globalvoices ao amin'ny del.icio.us. Raha mahita lahatsoratra hafa momba ny Star Wars avy amin'ireo bilaogy iraisam-pirenena ianao, mba mandraisa anjara anatin'ny lisitra amin'ny fametrahana MIARAKA ny tenifototra "starwars" sy "globalvoices" eo aminy.