Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Oktobra, 2018

23 Oktobra 2018

Azerbaidjan: Ireo Haino Aman-Jery Miaro Ireo Mafana Fo Sy Blaogera Voatazona Am-Ponja

Na dia saika hita ao amin'ny Facebook avokoa aza ny ankamaroan'ny hetsika rehetra izay mbola hanohizan'ny mpampiasa aterineto ny fifampizaràna lahatsary ahitana ilay blaogera Adnan Hajizade sy ilay tanora mafana fo Emin Milli, notanana am-ponja herinandro lasa izay ary voaheloka higadra roa volana an-tranomaizina alohan'ny hitsarana azy, zara raha nisy...

21 Oktobra 2018

Koety: Malahelo an'i Shaikh Saad

(May 2008) Maty teo amin'ny faha-78 taonany i Shaikh Saad Al Abdulla Al Sabah, ilay mpitondra fahiny an'i Koety rehefa narary nandritra ny fotoana ela. Tohina tamin'ireo vaovao ny vondrom-piarahamonina an-tambajotra tao Koety, ka hafatra fangorahana sy fitsapana alahelo aman-jatony no niraradraraka nameno ireo blaogy amin'ny teny Arabo sy Anglisy....

Koety: Mivavaka ho an'i Ejipta Malalaka

Toy ny ambiny manerana izao tontolo izao, manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-javatra ao Ejipta ireo Koetiana mpampiasa aterineto. Manolotra ny fanohanany ho an'ireo Ejiptiana mpanohitra ireo Tweeps (mpibitsika), amin'ny alalan'ny vavaka sy antso ho an'ny fiafaran'ny fitondran'i Mubarak.

19 Oktobra 2018

Shina: Tsy misy mpisolovava ho an'i Hao Wu

(2006) Tsy navela haka mpisolovava i Haozi, ilay blaogera tao Beijing. Manahy avokoa ireo akaiky azy, indrindra ny zokiny vavy izay manao ny faraheriny mba hahitana vahaolana amin'izany.

Aza Darohana baomba izahay – Blaogin'ny Mpiasa ao amin'ny Al Jazeera

Nanokatra blaogy ny mpiasa tao amin'ny Al Jazeera noho ilay fanambaran'ny Daily Mirror fa ho darohan'i Bush baomba ny Al Jazeera.

Navotsotra i Abdolkarim

Navotsotra i Abdolkarim taorian'ny 18 andro nigadrana.

18 Oktobra 2018

Ilay Resabe Momba ny Charango

Kyrgyzstan: Miakatra ny Vidin'ny mofo, Ketraka be ny vahoaka

Maneho ny horakorany manoloana ny fiakaran'ny vidin'ny mofo ireo blaogera Kyrgyz. Ambany ihany koa ny môraly noho ny fihaonambe iraisampirenena, izay toa hamehy ny fivezivezena ao Bishkek renivohitra. Vaovao tsara? Fitsingerenan'ny taona nahaterahan'ny filoha androany...

17 Oktobra 2018

Manoratra i Tiorkia….

Iray amin'ireo fanehoana faratampony ny fahalalahana maneho hevitra ny fitorahana blaogy, na dia noheverina ho toy ny iray amin'ireo fahotana mahafaty aza izy (noho izy manampy ny hambon'ny mpanoratra): laharam-pahamehana amin'ny tontolontsika maoderina ny blaogy sy ny resaka aterany momba ny fahalalahana maneho hevitra. Nisy hetsika natao tao Tirokia izay...

16 Oktobra 2018

Sri Lanka : Nampiakatra adi-hevitra i Akon

Mety hanontany tena angamba ianao hoe inona no mety ho vokatry ny rakikira iray? Niteraka adihevitra tao Sri Lanka ilay lahatsarin’i Akon izay sady mpihira no mpamoron-kira R&B, Sexy Chick, izay mampiseho andian-jatovovavy zara fa mitafy sady mandihy amin'ny fety iray eo amoron’ny dobo filomanosana sady manoloana ny sarivongan’i Boddha.