Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jona, 2017
Ny Fomba Niatrehan'i Sri Lanka ny Tondradrano Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona
Mihoatra ny 100 no maty ary olona mihoatra ny 400.000 no nafindra toerana lavitry ny loza voajanahary nateraky ny tondradrano sy ny fihotsahan'ny tany. Io no tondradrano ratsy indrindra tao amin'ny firenena tato anatin'ny folo taona.
Firenena Latsaka An-katerena Ao Pakistan
Vao maraina be androany, nanambara ny Filoha Musharaff ao Pakistan fa latsaka an-katerena ny firenena ka niezaka ahafantatra izay fampandrosoana ara-politika farany ao Pakistan ireo bilaogera.
Maso Arabo: Bilaogera Ejypsiana Mpirahalahy Miozolomana Tsy Hita (10 Taona Lasa Izay)
Tsy hita ilay bilaogera Ejypsiana Ahmed Saad Domah, araka ny filazan'ny Mpanaramaso (Observatory) ny bilaogera, izay napetraka hanarahamaso ny fisamborana sy ny herisetra mihatra amin'ireo bilaogera sy mpanoratra amin'ny aterineto ao amin'ny Tontolo Arabo.
Shina: Tantsaha Voaraoka Amin'ny Tany Voadaroka
Mampiasa Hery ny Governemanta Mba Hanamboatra Ny Tany sy Hidaroka Vahoaka Niantsoantso ny vahoaka hoe: mampiasa hery ny mpandraharaha mba haka ny tany, manohana azy ireo ny fitondram-panjakana. Aiza ny lalàna? Aiza ny rariny ??
Myanmar: “Eny, tsara ny zava-drehetra”
Notaterin'ny ny bilaogim-baovao Birmana MoeMaKa Media ity lahatsarin'ny Straits Times ao Singapaoro ity izay miresadresaka amin'ireo olom-pirenena Myanmar sasany sy ny hafa mandeha ao Yangon sy Singapaoro.
Fehezanteny Hoe ‘Praiminisitra Vendrana’ Nosivanina Tamin'ny Fanadinana Taranja Teny Grika
Fibolilàna va re, sa fisolantsolànana ara-politka?
Egypta: Navotsotra Ireo Mpizaha Tany Nalaina An-keriny
Afaka ireo olona miisa sivy ambin'ny folo, anisan'izany ny vahiny mpizaha tany nalaina an-keriny tao Egypta 10 andro lasa izay. Naneho hevitra momba izany ireo bilaogera.
Miroso Amin'ny Fandraràna Ny Tsy Fitononana Anarana Amin'ireo Fampiasa Fandefasana Hafatra Ny Parlemanta Rosiana

Nankatoavin'ilay Kaomity momba ny Fampitàmbaovao sy ny Teknolojia ao amin'ny Domà ny volavolan-dalàna iray niteraka resabe izay mety handràra ny tsy fitononana anarana amin'ireo fandefasana hafatra ety anaty aterineto. Isisihan'ilay kaomity ao amin'ny Domà ny handinihana ilay volavolan-dalàna amin'ny famakiana azy voalohany
Ejypta: Ny Sioka Ihany No Mahafaly Rehefa Mitondra Ny Firodanan'ny Fitondrana Izy Ireo
Rotaky ny tombantombana ny Twitter satria manohy mitatitra ny fampahalalam-baovao fa hametra-pialàna androany hariva ny filoha Ejiptiana Hosni Mubarak. Vao avy nanambara ny Filankevitra Ambony ny Tafika fa mivory tsy tapaka izy ireo mba 'hiaro ny firenena "sy ny" hetahetam-bahoaka. "
Ejypta: Kabarin'i Moubarak Nohorakorahan'ny Vahoaka Tao Amin'ny Kianja Tahrir
Niresaka tamin'ny vahoakan 'i Ejipta i Moubarak sahisahy androany alina, nilaza fa hijanona ho filoha mandra-pahatongan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny Septambra izy, saingy hanolotra ny andraikitry ny filoham-pirenena ho an'ilay filoha lefitra vao notendrena, Omar Sulieman izy.