Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Avrily, 2015
Ela Ny Ela, Navotsotr'i Shina Ireo Dimy Mpiaro Vehivavy
Saingy tsy mbola malalaka izy ireo. Mbola ho eo ambany fanaraha-mason'ny polisy hatrany izy dimy, mandritry ny herintaona.
Yemen, Vietnam-an'i Ejipta Fanindroany indray ve ?
Tamin'ny ady an-tranon'i Yemen Avaratra tamin'ny 1960, dia nifandrafy tamin'i Arabia Saodita ny vondro-tafika ejipsiana.
Havandra Tsy Amin'ny Fotoanany Misarika Saina Ho Amin'ny Tarainan'ireo Ao An-tobin'ny Palestiniana Mpitsoa-ponenana
Nitatitra firotsahana ranomandry tsy amin'ny fotoanany ataoGaza androany ireo mpisera amin'ny aterineto. Ny sasany milaza fa havantra fotsiny izany. Fa ho an'ny maro dia ny zavatra iaretan'ireo 108.000 tsymanana hialofana ao Gaza sy ireo voatery nafindra toerana no tonga ao an-tsiny avy hatrany
Tokantandroka Tafandositra Nampisahotaka Tsena tao Nepal
Ny valan-javaboarim-pirenena Chitwan, izay tokony ho 40 km avy eo amin'ny toerana nisian'ny trangan-javatra, dia onenan'ny lalomena tokantandroka 503 efa vitsy dia vitsy.
Ampitson'ny Nanesorana Ny Lalàna Miaramila, Mpianatra Patani Nosamborina Tao Atsimon'i Thailandy
"Manantena hahita antso maro ho fanafahana ireo mpiara-mianatra aminay izahay."
Miatoa Kely Ange Ijerentsika ny Hafaliana ao Iran amin'izao Fotoana izao

Alohan'ny irotsahana ao amin'ny fifanarahana ara-nokleary manantantara vitan'i Iran sy ireo hery goavana manerantany enina, dia migoka ao anatin'ny hafaliana aterany ao amin'ny vahoaka Iraniana ny tonia amin'ny fiteny Persiana ato amin'ny Global Voices antsoina hoe Mahsa Alimardani.
Bahanan'i Tiorkia Ny Twitter, YouTube, Tranonkala Marobe Taorian'ny Famonoana Mpampanoa Lalàna

Taorian'ny nanombohan'ny fivezivezen'ireo sarin'ilay mpampanoa lalàna, Mehmet Selim Kiraz, voahambana basy eo amin'ny lohany, tao amin'ny Twitter, an-jatony ireo tranonkalam-baovao sy tambajotra sosialy no nobahanana.
Bilaogera Iray Hafa Maty Voatsindrona Antsy: Manjary Mahafaty Ao Bangladesh Ve Ny Fihevitra Afaka ?

Novonoin'ireo fanatika ara-pivavahana tao Bangladesh ny tovolahy iray antsoina hoe Oyasiqur Rahman Babu. Fanafihana faharoa nataon'izy ireo tao anatin'ny iray volana ity