Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Desambra, 2013
“Mampatahotra An'i Putin Ny Tontolo Ivelany”: Miady Hevitra Mikasika An'i Okraina ireo Rosiana
Misy "plugin" Twitter iray ve afaka ampiasaina hanapahana ireo mpitsikera politika rehetra izay, mitoetra eo amin'ny tranokely fisotroan-kafe ao Maosko, ka miady hevitra mikasika ny lahatr'i Okraina?
Korea Atsimo : Voampanga Ho ‘Mpomba ny Tavaratra’ Ny Pretra Katolika iray Nitsikera Ny Governemanta
Pretra katolika iray nitsikera tsy nihambahamba ny filohan'i Korea Atsimo tamin'ilay fampielezan-kevitra nahamenatra nataon'ny governemantany no nolazaina fa 'mpomba ny Tavaratra' sy nanaovana fanadihadiana.
Nalaza Haingana Ny Fifandraisan-Tanan'i Barack Obama sy Raúl Castro Tao Amin'ny Lanonam-Pahatsiarovana An'i Mandela
Niley sahala amin'ny afo ny fanehoan-kevitra avy amin'ny fifandraisan-tanana tao amin'ny tambajotra an-tserasera.
Nalaina An-keriny Tao Syria Ilay Mpikatroka Tony Fihetsika Razan Zaitouneh Sy Ny Ekipany
Mpikatroka efatra, anisan'izany ilay mpikatroka tony fihetsika malaza manerantany Razan Zaitouneh, avy ao amin'ny Ivotoeran-tahirim-pandikan-dalàna [Violations Documentation Center (VDC)] ao Syria no nalain'ireo lehilahy misaron-tava mitondra fitaovam-piadiana an-keriny, izay niteraka ny antso famotsorana azy ireo avy hatrany.
Na Handrotsaka Na Hanakana Ny Fanambadian'ny Mitovy Fananahana i Kroasia
Tamin'ny 1 Desambra 2013, nandeha nifidy tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka izay manolotra ny famaritana ny mariazy ho fiarahan'olo-ndroa eo amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray ho anaty lalàmpanorenana ny olom-pirenena Kroaty.
Antso Ho Famotsorana Ilay Mpanao Gazety Sy Mpakasary Espaniola Nalaina An-keriny Tao Syria
Mitohy ny antso ho famotsorana an'ireo espaniola roa: mpanao gazety Javier Espinosa sy ilay mpakasary miasa tena Ricardo Garcia Vilanova, izay nalain'ny Fanjakana Islamika ao Syria sy Iraka an-keriny.
Rehefa Tapitra Ve Ny Ainy Vao Ho Afaka Madiodio Ilay Voaibe Rosiana Khodorkovsky?
Efa voalahatra hivoaka ny fonja amin'ny taona hoavy i Mikhail Khodorkovsky, voaibe ao Rosia faran'izay mangidy hoditra sady gadra politika malaza, saingy misy ankehitriny ireo famantarana fa mety hiatrika vesatra heloka bevava vaovao izy [ru] alohan'ny hahafahany hifoka rivotra madio
Karaiba: Veloma Farany, Nelson Mandela
Nandona mafy tokoa ny fanambaràna ny fahalasanan'i Nelson Mandela. Nizara ny eritreriny ireo bilaogera any amin'ny faritra sy ireo mpampiasa ny media sosialy, mikasika ny fahalasanan'ilay olona iray endrika maharitry ny fanoherana am-pilaminana teto amin'izao tontolo izao.
Maninona No Tsy Hiparitaka Any Rosia Ny Revolisiona Tao Okraina
East of the border, Russian bloggers continue to take a keen interest in the developing situation, although there is little consensus about what the protests entail for Russia's own opposition.
Thailand: Mikendry “Androm-Pandresena” ireo Mpanao Hetsi-panoherana Manohitra Ny Governemanta
Nipoaka ny herisetra teo amin'ireo mpahao hetsi-panoherana sy ireo mpomba ny governemanta. Mandritra izany, nitifitra entona mandatsa-dranomaso an'ireo mpahao hetsi-panoherana ny polisy mba hanakanana azy ireo tsy hiditra taminà tranobe iray an'ny governemanta.