· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jolay, 2013

Miala Amin'ny Maha-Filohan'ny Anjerimanontolo Azy Fa Marary Mafy Ny Rain'ilay Rindrimbe Aro Afo Goavana Ao Shina

  07 Jolay 2013

Fang Binxing, manampahaizana manokana amin'ny fiarovana ny torohay, nomena solon'anarana hoe “rain'ny Great Firewall - Rindrimbe Aro Afo Goavan'i Shina”, dia niala tamin'ny toeran'ny filohan'ny Anjerimanontolon'i Beijing misahana ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra. Nampitraotra ny tao anaty aterineto ary nahatezitra ny vondrom-piarahamonin'ny manampahaizana mikasika ny Aterineto ny fanapahan-keviny tampoka ny hiala--nataony nandritra ny kabariny fanokafana taom-pianarana teny amin'ny anjerimanontolo.

Mifandona Manerana an'i Ejipta ny Mpanohana sy Mpanohitra an'i Morsi

Nitranga androany 6 jolay 2013 ny fifandonana nahiana indrindra eo amin'ny mpanohana ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny mpanao fihetsiketsehana niantsony ny hanonganana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi. Tantarain'ny fantsona fahitalavitra ao amin'ny firenena sy iraisampirenena ny toe-javatra. Farafahakeliny 17 ny olona maty ary mihoatra ny 400 ny mpanao fihetsiketsehana naratra nandritra ny fifandonana manerana an'i Ejipta androany, izay maro amin'ny ao tambajotra sosialy no milaza azy ho "nandrasana" sy "tsy fahita."

Fitsidihana Faharoa Ataon'i Barack Obama Ao Afrika : Hanatratra an'i Shina ?

  05 Jolay 2013

Manantosa fitsidihana any Afrika nanomboka tamin'ny 26 jiona hatramin'ny 3 jolay ny filoha Obama. Ao Afrika atsimo izy amin'izao fotoana izao rehefa avy nitsidika an'i Senegaly. Tanzania indray no firenena manaraka hotsidihany. Ho an'ireo mpaneho hevitra, fanenjehana ny zava-tsy vita ity fitsidihana ity. Miezaka manohitra ny fihazakazan'ny fandrosoan'ny toekarena Shinoa...

Tian'ny Ejipsiana Haongana ny Fitondrana

Nomarihin'ny vahoaka Ejipsiana ny [30 Jona] ny fahatsiarovana ny nitondran'ny filoha Mohamed Morsi voalohany ny firenena, miaraka amina famoriam-bahoaka goavana nanerana an'i Ejipta, niantsoana azy handao ny toerany. Fampielezan-kevitra manohitra an'i Morsi atao hoe Tamarrod [ar], izay midika hoe fanoherana, no manamafy fa 22 tapitrisa ireo sonian'olon-tsotra voaangona hatramin'izao, izay miantso fifidianana filoha haingana. Ny 25 Janoary 2011, nanohitra ny fifehezana nandritra ny 32 taona nataon'i Hosni Mubarak ireo vahoaka Ejipsiana. Valoambinifolo andro taty aoriana, nametra-pialàna i Mubarak. Nandritra ny fotoana nisian'ny tetezamita, nentin'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana [CSFA] i Ejipta. Taorian'ireo fifidianana, Morsi, ilay kandidàn'ireo Mpirahalahy Silamo, no naka ny toeran'i Mubarak, nanjary filoha ny 30 Jona 2012. Ankehitriny, midina andalam-be indray ireo vahoaka Ejipsiana mangataka an'i Morsi hiala sady hamarana ny fitondran'ireo Firahalahiana Silamo any Ejipta.

Naongan'ny Ejipsiana i Morsi sy ny Fitondran'ny Mpirahalahy Miozolomana

Tapaka hatreo ny herintaona nitondran'i Morsi, taorian'ny fihetsiketsehana lehibe nanerana an'i Ejipta niantso azy hiala nanomboka tamin'ny 30 Jona. Ny komandin'ny Tafika Ejipsiana Abdel Fattah Al Sisi no nanambara nandritra ny mivantana minitra vitsivitsy lasa izay fa ny Lehiben'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana Adly Mansour no ho filoha vonjimaika vaovao ary hantsangana ny governemanta teknokraty nasionaly. Nilaza ihany koa i Al Sisi fa mihantona ny Lalampanorenana ary hokarakaraina ny fifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka.

Fiantraikan'i Brezila: Olona an'Arivony Mihetsiketsika ‘Ho Amin'i Paragoay Tsara Kokoa’

  03 Jolay 2013

Olona manodidina ny 3000 eo ho eo [es] no nidina an-dalamben'ny renivohitr'i Paragoay mba handrenesan'ny ao amin'ny antenimiera azy, taorian'ny fironana fihetsiketsehana ao Brezila herinandro vitsivitsy lasa izay. Notontosaina tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy, tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #porunparaguaymejor. [“Ho amin'i Paragoay tsaratsara kokoa”] ny fanentanana ny sivily hiomana ho amin'ny...