· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Febroary, 2013

Bangladesh: Mitaky Ny Fanamelohana Ho Faty ireo Meloka an'Ady Tamin'ny 1971 ny Mpanao Fihetsiketsehana

  12 Febroary 2013

Roa amby efapolo taona. Izany ny fahalavam-potoana niandrasan'ny Bangladeshy rariny tamin'ny heloka mampihoron-koditra natao tamin'izy ireo nandritra ny adim-panafahana nataony hisintahana amin'i Pakistan. Ary tamin'ny 5 Febroary 2013 dia nohelohina mandra-pahafaty noho ny famonoana, fanaovana an-keriny, fampijaliana ary ny heloka hafa natao nandritra ny adim-panafahan'ny taona 1971 i Abdul Quader Mollah, sekretera jeneralin'ny...

Bangladesh: Mankao Shahbagh Avokoa ny Lalana Rehetra

  12 Febroary 2013

Ao Shahbagh, mandray andraikitra ny tanora ary nampitsahatra ny resaka politika tamin'ny andro fahaefatry ny hetsika. Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no manohy mibodo ny arabe fiolanana midadasika indrindra ao andrenivohitr'i Bangladesh, ao Dhaka mba hitaky sazy farany izay henjana indrindra ho an'i Abdul Quader Mollah, lehiben'ny antoko Islamista sy ho an'ireo olon-kafa voampanga...

Mifanome Tànana Ny Fisavoritahana Sy Ny Horohoro Ao Guinée-Bissau

  10 Febroary 2013

Raha mbola mifantoka any amin'ny faritra iray hafa amin'i Afrika Andrefana ny sain'izao tontolo izao, ny olom-pirenen'i Guinée-Bissau, firenena kely iray mikorontana kosa, dia mitolona hitondra ny zava-misy momba ny zon'olombelona ho ao an-tsain'ny any amin'ny faritra sy ny iraisam-pirenena. Namoaka tatitra iray mavesa-danja [pdf] ny Ligy Gineana momba ny Zon'olombelona, mikasika ny zava-misy ankehitriny momba ny zon'olombelona, tena dobok'amponga gavana ho an'ireo izay mihevitra ny fahanginana misy dia midika fa mandeha tsara ny zavatra rehetra ao amin'ilay firenena

Fahatafintohinana Manoloana ny Kolikoly Lalina eo amin'ny Politisiana ao Espaina

  07 Febroary 2013

Ahitana trangan-javatra lalindalina [matotra] kokoa tahaka ny filazana fa misy karama ambany latabatra omena ny mpikambana sasany ao amin'ny Antokom-Bahoaka (PP) [es] izay antoko mitondra ao Espaina, ny famotorana momba ny raharaha kolikoly politika fantatra amin'ny anarana hoe “”Gurtel. Hadihadiana amin'ny fananana kaontim-bola 22 tapitrisa euros any Soisa sy amin'ny fandoavana...

Fahanginan'i Ejypta Manoloana Ny Todra-drano Ao Sinai

Ravan'ny todra-drano i Sinai, taorian'ny orambe mivatravatra tao amin'ny faritra. Vitsy dia vitsy ny vaovao momba izany tao amin'ny aterineto, ary fahanginana tanteraka tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Tao amin'ny Twitter, Ibrahim Elgarhi nandefa sioka ho an'ny filohan'ny Ejipsiana Mohammed Morsi [ar]: عاجل وانساني: فيه عشرات الاسر المحاصرة في سيناء في...