Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Novambra, 2012
Poa-Basim-Pifaliana No Nanamarihana Ny Fampitsaharana Ny Adin'Isiraely sy Gaza
Miato ny ady eo amin'Isiraely sy ny Hamas, namarana ny herinandrom-pifanandrinana izay nahafatesana farafahakeliny Palestiniana 155 sy Isiraelianina dimy.
Bus Nipoaka Afovoan'i Tel Aviv Ora vitsivitsy Mialoha ny Fampiatoan'Ady
Ora vitsivitsy mialoha ny fanambarana ny fampiatoan'ady eo amin'i Isiraely sy ny Hamas, nisy bus iray nipoaka teo afovoan'i Tel Aviv tokotokony ho mitataovovonana androany [21 novambra] , izay nandratra...
Efa Atsy Ho Atsy Ve Ny Fampitsaharana Ny Poa-basy Hamas/Isiraely?
Niely vetivety tamin'ny aterineto ny vaovao fa hanasonia fifanekena momba ny fampitsaharana ny poa basy ao Gaza ny Hamas sy Isiraely androany alina [20 Nov 2012] ao Kairo, taorian'ny herinandro...
Voadaroka Ireo Maraokanina Nandritra Ny Hetsi-panoherana ny Tetibolan'ny Mpanjaka
Nanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra Rabat ny Maraokanina androany ho fanoherana ny tetibolan'ny mpanjaka. Niharan'ny famoretana feno herisetra nataon'ny polisy anefa ny fihetsiketsehana nataon'izy ireo, ka voadaroka ireo mpikatroka, sy mpanao...
Palestina: Mifanditra ny Tambajotra Sosialy, Efa-taona Izay
Raha hiverenana ny tamin'ny taona 2008, nandritra ny fanafihan'i Isiraely an'i Gaza izay namoizan'ain'olona mahery ny 1400 (olo-tsotra avokoa ny 700 mahery), nampiasa ny tambajotra sosialy ny olona manerantany mba haneho hevitra...
Ny Ankizy No Mizaka Ny Vokatry ny Ady Ao Gaza
Mahavaky fo ny mahita ny sarin'ireo ankizy Palestiniana namoy ainy izay niparitaka tamin'ny fampahalalam-baovao sosialy androany, ho fanaraina ny saina manoloana ny voina miseho amin'izao fotoana izao ao Gaza, satria...
Isiraely: “Mahatsiaro Toy Ny Anaty Faritra An'ady i Ashdod “
Tamin'ny 10 Novambra, nitifitra balafomanga tsy midaroka fiara mifono vy (anti-tank) tamin'ireo miaramila Isiraeliana mpanao fisafoana i Gaza tao amin'ny faritra Isiraeliana, ao amin'ny sisintanin'i Gaza sy Isiraely, ka naharatràna...
i Öcalan Ve No Fanalahidin'ny Fifampiraharahàna Amin'i Tiorkia?
67 andro izao, gadra Kiorda an-jatony no nitokona tsy mety hisakafo any Tiorkia. Nangatahan-dry zareo ny hampitsaharana ny fanokana-monina ny mpikambana iray mpanorina ny Antokon'ny Mpiasa any Kiordistana (PKK), Abdullah Öcalan, sy hamelàna ny fampiasàna ny teny Kiorda eny amin'ny toerana natao ho an'ny daholobe tsy asiana fanavakavahana. Tsy nisy tamin'ireny fangatahana ireny nahitana valiny, saingy hagagàna fa nisy fanambaràna iray avy amin'i Öcalan, izay niantsoany fampiatoana ny fitokonana tsy hihinan-kanina araka ny nambaran'ny rahalahiny Mehmet Öcalan.
Ligy Arabo Mikasika An'i Gaza: “Blah Blah… Blah Blah Blah”
Mihaona ao amin'ny foibeny ao Kairo ny Ligy Arabo mba handinika ny momba an'i Gaza - ary tsy avy miaina ireo mpikirakira aterineto, na miandrandra vokatra tsara amin'ny mety ho fandraisana fepetra henjana.. Sultan AlQassemi tweets: "Fanavaozam-baovao mivantana avy amin'ny fivorian'ny Ligy Arabo momba ny herisetra ataon'i Israely ao Gaza: Tsy leferinay ny blah blah! Tsy maintsy izahay hijoro miaraka amin'ny blah blah bah.."
Lasa Tanàna Maty i Mumbai Taorian'ny Nahafaty An'i Bal Thackeray
MAty teo amin'ny faha-86 taonany tany amin'ny toeram-ponenany ao Mumbai i Balasaheb Keshav Thackeray, mpanorina n y Antoko elatra havanana Hindu, Shiv Sena. Taorian'ny fahafatesany ny tolakandron'ny 17 Novambra 2012 dia niparitaka haingana ny vaovao ary dia lasa tanana maty i Mumbai satria nikatona daholo ireo toeram-pivarotana, niato ny fitateram-bahoaka ary nihazakazaka namonjy fodiana sy nikaton-trano ny olona.