Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Marsa, 2011
22 Marsa 2011
Lahatsary: Sarintany Fitadidiana Fotoana Maneho Ireo Hetsika sy Fitroarana Amin'ny Ankapobeny
John Caelan avy amin'ny vohikala The Swamp Post dia namorona lahatsary roa somary nafainganina fandeha maneho an-tsarintany ny fihetsiketsehana nanomboka tamin'ny 18 Desambra ka hatramin'ny 7 Martsa 2011, izay ahitàna ny fihetsiketsehana sy ny fitroarana mihànaka manerana ny firenen-tsamihafa.
20 Marsa 2011
Haiti: Marainan'ny Fifidianana an-tsary
Androany, 20 Marsa, hamonjy ny biraom-pifidianana ny Haisiana hanapa-kevitra izay ho filohan'ny Firenena Karaiba manaraka. Tsy eken'i Mirlande Manigat sy i Michel Martelly, ireo Kandidà roa heverina ho nahazo ny ampaham-bato be indrindra tamin'ilay fifidianana nahabe resaka notontosaina tamin'ny volana novambra farany teo, moa ity fifidianana anio ity. Ny tatitra...
Arabia Saodita: Nampanantena Volabe Ny Saodiana Ny Mpanjaka
Volabe no nampanantenaina ny Soadiana androany (18 Martsa 2011), taorian'ny teny nataon'ny Mpanjaka Abdulla ho an'ny firenena. Tanatinà teny fohy, ilay Mpanompon'ireo Trano Masina Fivavahana roa dia nisaotra ireo mpisorona, ny mpanoratra ary ny Ministeran'ny Atitany noho ny ezaka nataon'izy ireo hiarovana ny fanjakana. Filazàna sy didim-panjakana avy eo no...
Syria: Fihetsiketsehana manerana ny firenena, 6 ireo namoy ny ainy tao Dara'a
Syria indray no firenena farany isiana fihetsiketsehana lehibe manerana an'i Afovoany Atsinanana (Moyen Orient). Raha tsy nahomby ny fiantsona hihetsika tamin'ny 5 febroary teo, dia nahavory vahoaka an-jatony maro avy amin'ireo tanàna marobe kosa ny fiantsona indray hidina an-dalambe ny 14 martsa, tao anatin'izany ny renivohitra, Damascus sy Aleppo. Raha...
19 Marsa 2011
Japana: Mikisaka any atsimo ny horohorontany? Matahotra i Kansai
Anisan'ireo lahatsoratra manokana mikasika ny horohorontany tany Japana 2011 ity lahatsoratra ity. Andro vitsivitsy aty aorian'ny horohorontany goavana namely ny faritra avaratra andrefan'i Japana dia mbola mitohy mihetsika hatrany ny tany any amin'ireo faritra hafa ao amin'ny nosy Honshu. Raha jerena indray mitopi-maso ny Yomiuri Shimbun momba ny vaovaon'ny horohorontany...
India: Fahatezerana tao amin'ny Parlemanta noho ny fivoahan'ny telegrama vaovao tao amin'ny Wikileaks
Nitarika fahatezerana tamin'ny Parlemanta Indiana nahitana ny mpanohitra nangataka fanazavana tamin'ny praiminisitra, ary tonga tamin'ny fitakiana ny fialàny ny fivoahana andia-telegrama Indiana farany avy amin'ny Wikileaks, manambara ny fisiana fanangolena ny depiote nandritra ny fametraham-pitokisana volana jolay 2008 nofinidin'ny governemanta UPA ankehitriny. Voatery nanao fanambarana mandà izay voalaza ny praiminisitra Manmohan...
18 Marsa 2011
Japana: Firariantsoa sy Vavaka atao amin'ny alalan'ny lahatsary
Ho setrin'ny toe-draharaha any Japana taorian'ny horohorontany, tsunami ary ny krizy nokleary dia nitodika tany amin'ny lahatsary sy ny mozika ny olona ho fomba hanehoany firariantsoa tsara indrindra sy ho fanohanana ny vahoakan'i Japana
Shina: Nifandrombahana ny nividy sira
Sady manafintohina no mampahonena ireo fihetseham-po tao Shina taorian'ny horohorontany, tsunami sy ny loza nokleary tao Japana, mbola sarotra ny fahatsapan'ireo firenena ny zava-nitranga tao Japana . Nanjary fanararaotana ho an'i Shina ny faharavana niseho tao Japana mba hilazany ny fikasany amin'ny hoavy. Niseho tamin'ny Alarobia hariva ny fiantraikan'ny horohorontany tany Japana raha...
Libia: Any Benghazi daholo ny maso (Lahatsary)
Benghazi tanàna faharoa lehibe indrindra eo amin'ny firenena no foibe politika sy fanahy mpikomin'ny hetsika manohitra ny Kolonely mpanao didy jadona Libiana Muammar Al Gaddafi. Miaraka amin'ireo hery ara-tafiky ny mpikomy izay voadoana mafy ihany tamin'ny fanafihan'ireo herin'i Gaddafi, na izany aza, mety ho lasa toerana famaharana farany ho an'ny...
17 Marsa 2011
Côte d'Ivoire: Nankaiza ny Jeneraly Philippe Mangou ?
Nafana ny andro Alatsinainy 14 martsa tao Côte d'Ivoire ary koa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tontolon'ny Twitter. Any Abidjan, taorian'ny herisetra tao amin'ny faritra Abobo tamin'ity herinandro ity, taitra tamin'ny torimasony ny Ivoarinina noho ny tifitra kalachnikov sy fitaovampiadina lehibe tao amin'ny faritra Yopougon, mandatehezan'i Laurent Gbagbo, filoha teo aloha...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...