Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Janoary, 2011
Haiti: Fisamborana tsy ho ela an'i Duvalier?
Efa talohan'ny tamin'ny iraikambinifolo ora io maraina io, rakotry ny sahoan-dresaka ny Twitter fa hoe i Jean-Claude "Baby Doc" Duvalier, ilay mpanao jadona taloha voaozona nitsoak nialokaloka tany Frantsa ary niverina tampoka tany an-tanindrazany tamin'ny Alahady alina, dia tratry ny fepetra fampisamborana.
Tonizia: Tratry ny fijirihana koa ny bilaogin'ingahy Minisitry ny Raharaham-bahiny Toniziana Kamel Morjane ?
Miparitaka toy ny lelafo ato anatin'ny aterineto ny tsaho minitra vitsivitsy taorian'ny nivoahan'ny lahatsoratra iray raha araka ny fantatra dia nosoratan'ny Minisitry ny raharaham-bahiny Toniziana Kamel Morjane tao anatin'ny bilaoginy. Tena nametra-pialàna tokoa ve i Morjane sa nisy nisompatra ny bilaoginy?
Liban: manohana ny fanoherana ny “Pinochet Arabo” ny mpitoraka bilaogy
Niray feo tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tany Tonizia izay araka ny heno hatreto aloha dia olona 24 no maty ireo mpitoraka bilaogy any Liban. Fanehoana fiaraha-miory sy fanohanana ny tanora avy...
Tonizia: Firavoravoana nandraisana ny fiafaràn'ny fitondràn'i Ben Ali
Niala ny fireneny ny Zoma teo, taorian'ny fihetseham-bahoaka naharitra efatra herinandro nandrodana ny 23 taona naha-mpitondra azy, ny filoha Toniziana Zine El Abidine Ben Ali. Indreto fanehoan-kevitra sasantsasany nameno ny Twitter sy ny tontolon'ny fitorahana bilaogy taorian'ny fanambaràna ny fikoropahan'i Ben Ali hiala.
Tontolo Arabo: Mifety ny fidarabohan'i Ben Ali
Rehefa mijery ny Twitterfeed-ko, dia toa ny tsirairay no hihevitra fa efa ela ny tontolo Arabo no niandry ity andro ity. Niteraka koronana teo anivon'ny aterineto ireo Tweets nankalaza ny lositry ny filoha Toniziana Zine El Abidine Ben Ali avy tao Tonizia.
Arabia Saodita: Fandosirana, ny Filoha Tonisiana Teo Aloha Ben Ali Niantsona any Arabia Saodita
Raha miparitaka be ny vaovao mikasika ny fandosiran'ny filoha Toniziana, dia tonga soa any Arabia Saodita i Zine El Abidine Ben Ali , ireo Saodiana mpampiasa twitter dia naka ity sehatra ity hanehoan-kevitra mikasika io raharaha io.
Libanona: Mpikambana iraikambinifolo tao amin'ny Kabinetra nametra-pialàna, governemanta voaongana
Vaovao lehibe maro avy amin'ny tontolo Arabo no azo tamin'ity hariva ity satria toa hoe hirodana ny governemanta Libane, nanaraka ny fametraham-pialàn'ny mpikambana 11 tao amin'ny kabinetra. Ireo mpikambana ao amin'ny kabinetra, ny mpikambana rehetra na ireo mpiara-dia amin'ny Hezbollah, dia nametra-pialàna noho ny tohan-kevitra avy amina tatitra iray nataon'ny Firenena Mikambana mikasika ny famonoana an'ilay praiminisitra Libane teo aloha, Rafiq Hariri
Tonizia: Resaka fanonganam-panjakana, tsaho fotsiny
Vao maraina be ny Alarobia 12 Janoary, niparitaka toy ny vanja nipoaka tao amin'ny Twiiter ny vaovao hoe nisy fanonganam-panjakana tany Tonizia. Voamarina ankehitriny fa tsaho ilay tatitra - naelin'ny eritreritr'ireo Toniziana izay nitsangana nanohitra ny fitondran'i Ben Ali nanomboka tamin'ny tapaky ny volana Desambra.
Nisy niditra an-tsokosoko ny Twitter sy vohikala ofisialin'i Korea Avaratra
Nisy fanafihana amin'ny aterineto nipoaka teo amin'i Korea Atsimo sy Korea Avaratra. Natomboky ny mpampiasa aterineto Koreana Tatsimo iray namoaka tononkalo manevateva mikasika ny fianakavian'i Kim tao amin'ny vohikala ofisialin'ny Korea Avaratra Uriminzokkiri, ary dia novalian'i Korea Avaratra tamina fanafihana DDOS. Androany, dia namely ny kaonty twitter ofisialin'i Korea Avaratra ireo piraty.
Tonizia: Fitanisàn'ny nanatri-maso avy ao Tala
Khayl wa Layl (Soavaly sy Alina) bilaogy Toniziana, dia namoaka taratasy iray (Ar) avy amina vehivavy iray ao Tala, manome antsipirihany mikasika ireo zava-doza natrehin'izy ireo maso tato anatin'ny andro vitsy lasa.