Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana

19 Mey 2019

Fanafihana Anti-silamo mitarika fifandirana sy miteraka tahotra eo amin'ireo Sri Lankey misaona

Ny 13 mey, trano teo amin'ny 500, fivarotana, masikiriny sy foibe ara-pivavahana hafa no simba, olona ray no maty ary folo hafa no naratra mafy. Nametraka ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina  manerana ny firenena hatramin'ny 14 may maraina ny manampahefana, tao anatin'ny tahotry ny fiparitahan'ny fanafihana .

15 Mey 2019

Ny Tontolon'ny Blaogy Siriana Tao anatin'ny Herinandro

Samy nanana ireo lohahevitra maro mahaliana noresahiny indray ireo blaogera tao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Siriana tamin'ity herinandro ity.

14 Mey 2019

Navadik'i Stella Nyanzi ho fitaovam-piadiana ve ny fivaviana? Notsaraina amin'ny resaka fahalalaham-pitenenana ny vehivavy feminista Ogandey

GV Mpisolovava

Amin'ny fikatsahany governemanta tsara tantana, "hentitra amin'ny tsikera ataony amin'ny governemanta Ogandey" i Stella Nyanza ary tsy matahotra ny hiady hevitra momba ny fady manodidina ny fananahana sy ny miralenta ary mijoro hiaro ny zon'ny LGBT.

09 Mey 2019

Nanavotra olona an'arivony ny fiomanana rehefa namely ny morontsiraka atsinanan'i India ny rivodoza Fani 

Ain'olona maro no voavonjy tamin'ny faharavana vokatry ny rivodoza mahery vaika Fani noho ny famindran-toerana efa voahomana nataon'ny fitondram-panjakana tao an-toerana niaraka tamin'ny fanohanan'ny mpialatsaka an-tsitrapo an'arivony.

03 Mey 2019

Indonezia: Tsy meloka i Prita hoy ny fitsarana ambony

Tamin'ny Talata tolakandro, tsy nahita ny Fitsarana Ambony Tangerang fa meloka noho ny fanalam-baraka i Prita Mulyasari, vehivavy mpikarakara tokantrano izay nanoratra fitarainana tamin'ny alalan'ny mailaka manohitra hopitaly iray iraisam-pirenena tsy mandoa hetra.

30 Avrily 2019

Tonizia: Aiza ny fandevenam-panjakana?

Toniziana valo no anisan'ireo vatana mangatsiaka 197 natolotr'i Israely tany Libanona, nandritra ny fifanakalozana gadra farany teo amin'ny firenena roa tonta. Mitaky ny fiverenan'ireo sisa tavela ho any amin'ny fireneny ireo bilaogera Toniziana - ary manome voninahitra ny maty amin'ny fandevenana ataon' ny fanjakana.

22 Avrily 2019

Daroka baomba tamin'ny fiangonana sy hotely maro niteraka horohoro tao Sri Lanka

Anjatony ny maty sy maratra tamin'ilay andiam-pipoahana baomba tsara omana tao Sri Lanka. Nambaran'ny governemanta ny hametrahana fanaronan'afo mandritra ny 12 ora ary notapahina ny media sosialy.

India, Mafotaka ny Adin'ny Tenifototra Mialoha ny Fifanandrinan'ireo Kandidà Amin'ny Fifidianana Ho An'ny Lohataona 2019

Ahitana teny filamatra sy valinkafatra henjana ary tantara maro ny fampielezankevitra politika, satria hanao fifidianana ilay demokrasia goavana indrindra eto an-tany ny 11 Aprily ka hatramin'ny 19 Aprily 2019.

21 Avrily 2019

Fanehoankevitra Maneran-tany Taorian'ny Famotsorana Ilay Nahavanona Fanapoahana Baomba Tao Lockerbie

Misy amin'izao fotoana izao ny resabe mirehitra eny amin'ny onjampeo sy ny tontolon'ny bilaogy, ho fanehoankevitra momba ilay fanapahankevitry ny fitsarana ao Ekaosy hanafaka ilay Libiana mpampihorohoro, Abdel Basset al-Megrahi, alohan'ny fiafaran'ny saziny, noho ny antony maha-olona sy ara-pahasalamana

14 Avrily 2019

Rosia: Bilaogera nosamborina noho ny tsahotsahon'ny pesta

Akon'ny RuNet

Nosamborina tamin'ny 3 Desambra i Ivan Peregorodiev, mpianatra mpitsabo sady bilaogera 22 taona noho ny fanaparitahany tsaho momba ny pesta areti-tratra ao an-tanànan'i Saratov. Nampangain'ny manampahefana ho nampiely vaovao tsy marina mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana izy.