· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Aogositra, 2017

Albania: Voasoratra Ho Vakoka Manerantany Vaovao an'i UNESCO i Berat

  08 Aogositra 2017

Natao tamin'ity taona ity tany Québec, Canada, tamin'ny 2 ka hatramin'ny 10 Jolay ny fivorian'ny Komitin'ny Vakoka Manerantany UNESCO fanao isan-taona. Toerana vaovao miisa 27 no nosoratana ho Vakoka Manerantany, izay miisa 878 ankehitriny. Araka ny bilaogy Stepping Stones, tafiditra ao amin'io lisitra io ny tanàndehiben'i Berat, any Albania.

Mamelona Ny Tontolo Bangla Ny Fivavahana Sy Ny Lanonana

  06 Aogositra 2017

Nandrasana fatratra izao vanim-potoana izao ho an'ireo Bengali manerana izao tontolo izao. Izay fotoana hanaovam-bavaka, ny fanasana sy ny fifadian-kanina. Tsy mahagaga noho izany, raha miresaka momba ny fivavahana, ny fomba fanao isan-karazany, ny dikany sy ny fihetseham-po manoloana izany ireo bilaogera Bangali.

Egypta: Sary Famantarana Manokana Google Ho An'ny Andron'ny Zaza Kamboty

  04 Aogositra 2017

Zaza kamboty Egyptiana mihoatra ny 160 no nandray anjara tamin'ny fifaninanana Google doodle, izay sambany natao tao Egypta sy tany Afovoany Atsinanana. Hiseho eo amin'ny pejy fandraisana Google Egypta (google.com.eg) ny 3 Aprily , amin'ny Andron'ny Zaza Kamboty any Egypta, ny sary mandresy.

Angano any Shily: Goaibe Kely

  01 Aogositra 2017

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007) Tonga tao Santiago, Shily ilay ”Goaibe Kely” Frantsay malaza. Vahoaka maro no nivory hijery azy io tao afovoan'ny renivohitra. Mampiditra antsika amin'ilay fotokevitra i Claudia (ES): Cuenta la historia de un rinoceronte que escapó de África, pasando por las minas del cobre y llegando a la...