· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Desambra, 2018

Serbia: Misafidy, na i Tadic na i Nikolic

Bilaogera Serba maro no manohana an'i Tadic sy ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Serbia sy ny Firaisambe Eoropeana, ary manohitra ny politika nasionalistan'i Nikolic. Ny sasany kosa anefa diso fanantenana amin'ny politikan'i Tadic nandritra ny fitondrany teo aloha ary mino fa nampahery ireo radikaly izany.

Palestina: Ny manjò ireo vehivavy

Na dia resaka politika tahaka ny mahazatra aza adihevitra maro ao amin'ny tontolon'ny blaogy Palestiniana, nanapa-kevitra ny hiova hevitra aho amin'ity herinandro ity. Raha tokony ho governemanta sy Gaza ary ny patriarika, ny fiodinana amin'ity herinandro ity dia hijery ny ny lohahevitra isan-karazany - lohahevitra momba ny vehivavy aho.

Maraoka: Mafana mafana

Mbola tena mafana be ao Maraoka, mahatonga ny hafanana ho lohahevitra malaza eo amin'ny blogoma (bilaogy Maraoka) miteny Anglisy. Miaraka amin'ny maripàna matetika mahatratra 40 degre Celsius sy tsy fahampian'ny rivotra mangatsiatsiaka, toa tahaka ny hoe mijaly ireo bilaogera.

Ny Tsiambaratelon'i Ejipta an-dahatsary

Iray amin'ireo lahatsary manala ny saron'ireo tsiambaratelo sy marina mahatsiravina any Ejipta ny "Hideous", mampiseho ny fifanoherana eo amin'ny fiainan'ireo mpanana tsy mivaky loha sy ireo mahantrana eny an-dàlambe. Ny "To H.E Mrs Suzanne Mubarak" kosa mitatitra ny fanararaotana ankizy, ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana ary ny fahantrana lalina.

‘Ny printsy kely’ amin'ny teny Tsotsil

  06 Desambra 2018

Vao avy nanampy fiteny hafa tao amin'ny lahatahiriny ny iray amin'ireo boky be mpandika indrindra manerantany:  "Ilay Printsy kely", izay hita amin'ny teny Tsotsil, fiteny indizeny ampiasain'ny olona 400.000 ao amin'ny fanjakana atsimo-atsinanana Meksikana any Chiapas.