Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Mey, 2018
Repoblika Dominikana: Endrika marolokon'ny fetibe (karnavaly)
Manomboka ny volana Febroary ny fankalazana ny karnavaly ao amin'ny Repoblika Dominikana ary miavaka amin'ny endrika maro-loko mandritra ny fetibe manerana ny nosy.
Misioka momba ireo fomban-drazana miavaka ao Japana
Lohan-trondro, sahona mitsambikina sy fosa ara-panambadiana: kaonty Twitter iray mitantara ireo fomba nentim-paharazana, vakoka ao Japana
Bilaogy Jordaniana: Ny andron'ny orampanala sy ireo fitantarana hafa nandritra ny volana Martsa
Ny resaka toetr'andro hafahafa no tantara lehibe indrindra nampalaza tampoka ny tontolon'ny bilaogy Jordaniana ....
Makedonia: Ezaka eny ifotony hiarovana ny mozika Folk antserasera
Zava-miavaka eo amin'ny kolontsaina Makedoniana ny fankasitrahana ny vakoka mozika, ary noho ny ezaka be nataonà bilaogera iray, niely tamin'ny tontolon'ny bilaogy ihany koa izany.
Hongria: “Toerana manala zavo-tsetroka ao afovoan-tanàna”
Niara-niasa tao afovoan-tanànan'i Budapest ireo mpanao maritrano, mpanakanto, biolojista ary teknisiana mba hampisehoana fa afaka mandray anjara amin'ny fanatsarana ny tontolo iainantsika ny fambolena ahidrano.
Goatemalà : Tanora Iray Maty Nisy Namono, Nangina ny Lokanga
Araka ny ambaran'ilay mpanoratra sady poeta, Victor Hugo, “ny mozika no manambara izay tsy hay lazaina ary ireo zavatra izay tsy hay ny tsy hiloa-bava."
Lasa maditra loatra i ‘Peppa Pig’ ho an'ireo mpanao sivan'i Shina
Zanakolontsaina iray mampifandray an'i “Peppa Pig” amin'ny “Shehuiren”, voambolana iray milaza ireo andian-jiolahy, ka mahatonga an'ilay kisoa malaza ho ao anatin'ny honahonam-potaka.
Bangladesh: Kolontsaina vondron'orinasa sy fiainana manokan'ny mpiasa
Miasa amin'ny banky ho fivelomany ny Bangladeshita mpiasa iray ary manoratra ao amin'ny sehatra fibilaogina amin'ny teny Bangla Bandh Bhanger Awaaj amin'ny anarana Megh (rahona). Taorian'ny fivoriana fanao isam-bolana tsy misy dikany tao amin'ny banky iasany, naneho ny hatezerany tamin'ny lahatsoratra bilaogy izy vao haingana.
Miraondraona ny bilaogy any Azia Atsimo
Vaovaon'ny bilaogy avy any Azia Atsimo.
Masoarabo: Sombin'ny Eid
Eid androany, na rahampitso. Eid Al Fitr dia fankalazana manamarika ny fiafaran'ny volana Miozolomana fanaovana Ramadany, ary indreto ny fanehoan-kevitra vitsivitsy momba izany manerana ny tontolo Arabo.