· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Avrily, 2018

Singapaoro: TwestivalSG 2010

  14 Avrily 2018

Hundreds of people participated in this year's Twestival Singapore to raise funds for the education of millions of out-of-school children around the world. Olona an-jatony no nandray anjara tamin'ny Twestival Singapaoro 2010 mba hanangonana vola ho an'ny fanabeazana ny ankizy an-tapitrisany izay tsy mianatra an-tsekoly manerana izao tontolo izao.

Japana: Manova ny Fankalazàna ny Taombaovao

  08 Avrily 2018

Fotoampialantsasatra anisan'ny lehibe indrindra ho an'ny ankamaroan'ny mponina ao Japana ny Taombaovao, mitondra lanja miavaka izay rehetra miseho ny "voalohan'ny taona": ny andro voalohan'ny taona, ny fiposahan'ny masoandro voalohany, ny nofinofy voalohany, ny varotra voalohany...

Global Voices Any amin'ny Zaikabe Iraisam-pirenen'ny We Media

  07 Avrily 2018

Ity no Zaikabe Iraisam-pirenen'ny We Media faharoa karakarain'ny Media Center an'ny Ivontoeran'ny Fanaovangazety Amerikana, izay hatao any Lôndôna. "Fitokisana" no lohahevitra hodinihina amin'izany, koa tongava ary ampio izahay hitady ny valin'ireo fanontaniana maro, na hamerina handrafitra ny adihevitra amin'ny fametrahana fanontaniana vaovao!

Teny 2.500 Manerantany Tandindonin-doza

  04 Avrily 2018

Navoakan'ny Fikambana Ara-panabeazana, ara-tsiantifika sy Ara-kolontsaina ao amin'ny Firenena Mikambana (UNESCO) ny Sarintany ifarimbonana misy ireo fiteny tandindonin-doza, izay mampiseho ireo tenin-drazana 2.500 amin'ireo 6000 atahorana. Mangataka amin'ny mpiserasera  ny fikambanana iraisam-pirenena mba handray anjara amin'ny fanehoan-kevitra amin'ny tetikasa izay mampanahy ireo bilaogera maro ny fiarovana ny kolontsaina.