· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Jona, 2017

Londra, Karaiba: Lokon'ny Karnavaly Ao Notting Hill

  20 Jona 2017

Fetibe tsy ivohan'ny Banky volana Aogositra ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, izay midika ho andro mibaliaka masoandro, mahafinaritra eny an-kalamanjana - sy Karnavaly Notting Hill, karnavaly lehibe indrindra amin'ny endrika Karaibeana any Eoropa ary iray amin'ireo fetiben'ny fahavaratra lehibe indrindra na aiza na aiza.

Libanona: Ny Zavakanto sy ny Mpanakanto

Tsy ara-politika fotsiny araka ny fantatrao ny tontolon'ny bilaogy Libaney, ary misaotra an'Andriamanitra noho izany. Misy ireo mpanakanto mampiasa bilaogy mba hampiseho ny sary hosodoko, ny mozika sy ny famoronana ara-javakanton'izy ireo. Indro ny santionany. Voalohany dia sary sy hosodoko, ary avy eo mozika sy sarimihetsika. Ankafizo.

Bolivia: Fivorian'ny Bloguivianos

  16 Jona 2017

Nivory tao Santa Cruz ho an'ny fivorian'ny "Bloguivianos. [ES]" voalohany fanao isan-taona tamin'ny 1 Septambra ny bilaogera Boliviana avy any ivelany sy manerana ny firenena . Hanome ny fahafahana ho an'ny maro izay mifandray fotsiny amin'ny alalan'ny bilaogy na mailaka mba hihaonana mivantana ity fivoriana ity.