Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Mey, 2017
Etazonia: Tetikasan-Tanora Tompotany Mandrakitra ny Tantarany Amin'ny Lahatsary
Ny lahatsary, hoan'ny vondrom-piarahamonina Navajo, no lasa lalana ifandraisan'ny tanora amin'ny razambeny sy ny tantaran'ny vahoakany amin'ny alalan'ny tantaran'ny Vehivavy Mavo.
Meksika: Mitantara ny Tsiambaratelony ao Amin'ny Twitter
« Tsy naniry ny ho lasa olona hafa ankoatra izao maha-izaho ahy izao velively aho, kaefa miovaova matetika aho ary indraindray dia sahirana mamantatra hoe izay àry aho. Eny, tena fifanoheran-javatra io ».
Ekoatora: Ny Fahasorenan'ny Mpanoratra
Amin'ny andro iray izay hisian'ny rafotsibe entina hotsaraina eny amin'ny fitsarana satria nanao hosoka ny asako sy nanaparitaka izany, na noho ny famoahana ny tononkaloko tao amin'ny bilaoginy, handoro tena aho!
Palestina: Fiandrasana Doboka Tafondro Tao Gaza Amin'ny Andron'ny Iftar
Ny ady tao Gaza dia nahatonga ireo fombandrazana marobe ho lasa fahatsiarovana fahagola sisa. Mahatsiaro ny nifaranan'ny fomba fanao rehefa Ramadan i Hazem [ar] Palestiana bilaogera, izay tsaroan'ny raibeny efa lasa nodimandry.
Mpikatroka ao Beiroty Manomboka Andro Hijerena Ny Lovantsika Mba Hiarovana Ireo Toerana Manantantara Nefa Tandindonin-doza
Ny gaboraraka fanomezana ho an'ny tsy miankina sy ny fihazakazaky ny fanitarana tanàndehibe ao amin'ny renivohitr'i Libanona no nanimba be ny lovan'ilay firenena. Vonona hampitsahatra izany ireo mpikatroka.
Lisitr'ireo Hira Amin'ny Fetibe 2017 ao Trinidad & Tobago : Fizaràna 1
Taridàlana kely ho an'ny mozika izay mampiaka-tsehatra ireo fankalazàna ny fetibe ao Trinidad sy Tobago amin'ity taona ity
Ny Mediam-Panjakana Ethiopiana Ihany no Tsy Nihoby An'I Teddy Afro, Ilay Mpihira Mitarika Amin'ny Laharan'ny Billboard
Tsy afaka nandefa ny antsafa nandrasana fatratra niaraka tamin'ny mpanakanto be mpitia fantatra amin'ny fahaleovantenany ara-politika ny mpanolotra fandaharana tao amin'ny fahitalavi-panjakana EBC.
Mpanao Haiady Mifangaro (MMA), Mampiasa Ny Folo Segondra Nandreseny an'ilay Mpampianatra Tai Chi Mba Hihantsiana Ireo Shinoa Mpanao Kung Fu Mpitàna Birao
Nihen-danja ho fampisehoana be loatra sy fahaizamanao kely loatra ve ny haiady Shinoa? Mieritreritra toy izay ny olona iray mpanao Haiady Mifangaro, ary narahany asa ny teniny.
“Ravao ny Manda “: Hetsi-panoherana Artistika Ataon'ny Amboaram-peon-Java-maneno Dresden Ao Amin'ny Sisintanin'i Etazonia sy i Meksika
"Iray ihany isika , na dia eo aza ny fiampisarahan'ny manda sy ny sisintany."
Tafintohina Tamin'ny Dokambarotra Milina Fanasan-damba Mampiseho Herisetra An-tokantrano Ireo Pakistaney
"Maharikoriko ilay dokambarotra ... .toa milaza izany fa tokony hirehareha amin'ny namany ny lehilahy amin'ny fidarohana ny vadiny"