Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Oktobra, 2018
Mampiseho ireo mpikatroka tamin'ny Hetsika Elo sy ilay mpanao sariitatra ara-politika Badiucao ny Herinandron'ny Fahalalaham-pitenenana ao Hong Kong
Tato anatin'ny taona vitsy, niatrika famoretana henjana ireo Hong Kongers manohana ny zo demokratika sy ny fahaleovantenan'ny faritra.
Iran : Hafatry ny Taombaovao avy amin’i Barack Obama
(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanomboka tamina hafatra nahagaga avy tamin’ny filoha Amerikana Barack Obama ny taom-baovao Iraniana tamin’ity taona ity (2009), niresaka ho...
Navoaka indray ny dokambarotr'i George Lucas tamin'ny taompolo 1980 tao amin'ny fahitalavitra Japoney
Namoaka indray ny andiana dokambarotry ny fahitalavitra Japoney tamin'ny taompolo 1980 izay manasongadina ilay mpanatontsosa sarimihetsika Amerikana George Lucas mihira fiderana ho an'ny orinasa mpamatsy fitaovana elektronika goavana Panasonic ny Twitter Japoney.
Manasongadina ireo tolona sy fandresen'ny teratany ao Papua, Indonezia ny sarimihetsika tsy miankina vaovao iray
Manazava ireo ''olan'ny vahoaka teratany ao Papua amin'ny alalan'ny horonantsary fanadihadiana ary koa hanangana fanentanana ho an'ny daholobe mikasika ireo olana lehibe miantraika amin'izy ireo'' ilay fetiben'ny sarimihetsika.
Shily: BiblioRedes, avy ao Visviri mankany Puerto Williams
Fandaharanasa avy amin'ny fanjakan'i Shily ny BiblioRedes, izay manome fidirana maimaim-poana amin'ny solosaina sy aterineto ho an'ny tranomboky miisa 387 manerana ny firenena. Manome fahafahana manokana ho an'ireo Shiliana any amin'ny faritra tsy dia voasolo tena loatra mba hianatra ny fomba fampiasana solosaina sy aterineto ity fahafahana miditra aterineto ity. Singa iray mamaritra ity fampiofanana ity ny fahafahan'izy ireo manokatra ny tranonkalany manokana. Afaka jerena ao amin'ny blaogin'ilay tetikasa Contenidos Locales (Vontoaty Eny An-toerana) ny tena mahaliana amin'ity vontoaty ity.
Nandefa kasikety ‘Make Wall Great Again’ ilay Shinoa mpanakanto Badiucao, ho fanoherana ny fiverenan'ny orinasa Google ao Shina
"Tiako hahafantatra ny [Google] fa fahadisoana ny miara-miasa amin'ny sivana ao Shina. Mahamenatra toy ny rindrin'i Trump izany, fa amin'ity indray mitoraka ity dia rindrina tsy hita maso anaty aterineto - ny aroafo lehibe."
Goatemala : Nitokona ireo mpampianatra rehefa noravàna ny sekoly tranainy iray
(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Niverina nitokona indray ny 8 Mey 2007 ireo mpampianatra tamin’ny sekolim-panjakana tany Goatemala, nangataka ny ‘’famotsoran-keloka’’ tamin’ity indray mitoraka...
Ny Tontolon'ny Blaogy Siriàna Tanatin'ny Herinandro-2
(2006) Nanao dingana lehibe iray ny tontolon'ny blaogy Siriàna tamin'ity herinandro ity, tamin'ny fanolorana ny Syria Planet. Vavahady voalohany anaty aterineto natokana ho an'ireo Siriàna rehetra mpitoraka blaogy. Namporisihin'ny firoboroboan'ny bilaogy, vavolombelon'izany i Siria tamin'ny taona lasa (2005)
Iran: Mibilaogy miady amin'ny fankahalana pelaka
Iraniana bilaogera vitsivitsy no nanoratra fanehoan-kevitra tao amin'ny 'Andro Iraisam-pirenena iadiana amin'ny fankahalana ny pelaka' tamin'ny 17 May 2009 ary nizara ny ahiahiny mikasika ny fanavakavahana ireo pelaka ao Iran.
Oscar Niemeyer: 100 taona nanaovana haimaritrano sahisahy
Noarahabain'ireo Breziliana sy mpitoraka blaogy manerana ny tany i Oscar Niemeyer, ilay mpahay maritrano maodernista ankalazaina be izay nahatratra ny faha-100 taonany androany ary tena mbola velona tsara, mahira-tsaina, mavitrika ary mirotsaka amina tetikasa maro manerana izao tontolo izao .