Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2017

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Novambra, 2017

Hong Kong: Voarara Ilay Dokambarotra Halloween 

Mikarakara  fety ho an'ny Halloween mba hisarihana mpitsidika maro isan-taona ny Zaridaina Fitsangatsanganana Ocean Park any Hong Kong . Matetika anefa dia miatrika tsikera avy amin'ny vahoaka ny dokambarotra ho an'ity hetsika ity.  Norarana ny sasantsasany tamin'ireo lahatsariny tamin'ity .........

121 taona Taty Aoriana Vao Nisy Mpihira Tompotany Niantsehatra Tao Amin'ny Teatro Amazonas Tao Brezila

Naorina tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 ny teatira niaraka tamin'ny harena azo avy amin'ny fitrandrahana fingotra tao Amazonia, izay nahatonga faharavana ho an'ireo vondrom-piarahamonina tompotany tao amin'ny faritra rakotry ny ala.

Nasandratra Ho Andriamanitra, Avy Eo Tsy Izy Intsony: Miverina Amin'ny Andavanandrom-Piainana Ilay ‘Kumari’ Nandritry ny Sivy Taona Tao Nepal

Misy sandany ny fiovàna tampoka miala amin'ny maha-ankizivavy kely ho lasa andriamanibavy iankohofana. Tsy maintsy mitoka-monina izy, lavitra ny fianakaviany sy ny namana, mitoetra ho tony amin'ny fotoana rehetra.

Mitety An'i Japana Amin'ny Bus … Ao Amin'ny YouTube

Nandeha tany amin'ny faritra farany ambony ka hatrany amin'ny farany ambany tao Japana ny mpisera YouTube iray tamin'ny alalan'ny bus tao an-toerana, ary nandefa ny lahatsarin'ny dia iray manontolo.

Shakib Khan, Mpilalao Sarimihetsika, Torian'ny Mpamily Tuk-Tuk Noho Ny Nampiasàna Ny Laharana Findainy Tao Anaty Sarimihetsika Iray

Antso 400 mahery no voarain'ilay mpamily tuk-tuk avy amin'ireo mpankafy nanantena ny hifampiresaka tamin'ilay mpilalao sarimihetsika. Nisy fiantraikany tamin'ny asa fitadiavany ireo antso ireo ary saika nandrava ny tokantranony mihitsy.

Manasongadina Sakafo, Dihy Ary Mofo Naan Ny Fankalazana Ny Diwali Lehibe Indrindra Tao Japana

Noho ny fitomboan'ny fifamatorana nisy teo amin'ny firenena roa tonta, nitombo ny isan'ireo Indiana monina ao Japana nandritra ny roampolo taona lasa, fara fahakeliny 28.000.

Ny Fandaniana Mandritra Ny Krismasy Shiliana

Ho avy ny Krisimasy.  Manao topi-maso ny fihetsiky ny mpanjifa Shiliana mandritra ny fety ity lahatsoratra ity. Ary manoratra mikasika izay mety ho fanomezana ataon'ny  Shiliana. Manoritsoritra ny fanomezana be mpivarotra indrindra i Luis Alarcon .

Jereo Ny Tantara Fohy Iray Momba Ireo Horonantsary Mampiravahontsana Ao Japàna

Manolotra fampidirana lafatra ho amin'ireo sarimihetsika Japoney mampivarahontsana ny fantsona iray ao amin'ny YouTube.

Paradisa Vaovao Ho An'ny Sarimihetsika Ve I Maraoka ?

Toerana ankafizin'ny mpanatontosa sarimihetsika vahiny efa hatry ny ela i Maraoka. Toy izany ny horonantsary fanta-daza  La Dernière Tentation du Christ na ny Lawrence d'Arabie, sy ny horonantsary vao haingana toy ny Détention secrète na ny La Chute du faucon noir, dia samy nampiasa an'i Maraoka ho endri-tanàna avokoa.

‘Fetiben'ny Hazavana’ Tao Taunggyi Ao Myanmar, Ankalazaina Amin'ny Fandefasana Balaonina Misy labozia Mirehitra

Topazo maso ireo sarin'ilay fombandrazana malaza -- ary indraindray mampidi-doza.