Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Avrily, 2016
Nanampy Handrenesana Ny Feoko Ny Espaniola, Fiteny Izay Nanindriana Ireo Razako Fahiny
Anatin'ny ampahany faharoa amin'ny lahatsorany, adihadian'i Shirley Campbell ny fomba mahatonga ny Espaniola ho fiteny manavakavaka sy manafaka.
#IamSyrian, Hetsika Mahatonga Ny Syriana Tsirairay Ho Afa-Mirehareha
Naka ny lanonana fizazana Oscar i Moustafa Jacob, mpanakanto Syriana, mba hanombohana ny fanentanana #IamSyrian. Tsy nampoiziny hahazo firaisankina iraisampirenena miaraka amin'ny Syriana ny hetsika nataony.
Servisy Rosiana An-Tserasera Mangataka Amin'ny Vehivavy Handoa Fampahatsiarovana Ny Sipany Hividy Voninkazo Ho Azy Ireo

“Amin'ny fampiasana fitaovana fanaovana dokambarotra an'aterineto,” hoy ny tranonkala, ”izahay no mampahatsiahy amim-pahamalinana ny lehilahy sipanao fa efa elaela ihany izy no nanome voninkazo farany, ary dia asongadina fa zava-dehibe hoan'ny vehivavy ny voninkazo.”
Mampanangona Sary Avy Amin'ny Besinimaro Ny Tantara Mandòdona Nopotehin'ny ISIS Ao Syria Ny #NewPalmyra
Tao anatin'ny herintaona monja dia potika ny toerana arkeôlôjikan'i Palmyra. Nisy tetikasa natsangan'ilay Syriana mpikatroka Bassel Khartabil izay migadra amin'izao fotoana izao te-hamerina amin'ny laoniny indray amin'ny modely 3D ny tanàna fahagola.
Fikaroham-bola Ho An'ny Horonantsary Fanadihadiana Mikasika Ilay Vehivavy Mainty Voalohany Solombavambahoaka Tao Brezila
Ireo mpamokatra sarimihetsika no nandefa fanentanana ho famoriambola eny ifotony, hitadiavana 6.000 Dolara mba hamatsiana ny famokarana kapila mangirana DVDs miisa 1.000, izay ho zaraina maimaimpoana amin'ireo sekoly, ireo anjerimanontolo, ireo tranomboky, ary ireo ivon-toerana ara-kolontsaina.
Twitter Mandritra Ny Taona maro: Ny Fanontàn'ny RuNet

Ho an'ny fankalazana ny faha-10 taonan'ny Twitter, "nanangona ireo bitsika ampolony tena miavaka indrindra" tamin'nytantaran'ilay sehatra ireo mpanao gazetin'ny Kommersant, mpilaza vaovao Rosiana. Nofantenanay ireo sasantsasany tao amin'ny RuNet.
Resadresaka Tamin'i Hugues Lawson-Body, Mpakasarin'ireo Olo-malaza, Ireo Tanora “franciliens” Ary Mpamokatra Ny Andian-tantara Barbershop
Resaka nifanaovana tamin'ny mpanakanto maoderna iray sady miaina kolontsaina marolafy
Fitsangatsanganana: Mozambika, Toerana Atolotra Ho An'ny Taona 2016
Voakilasy ho laharana fahafito amin'ireo firenena "tsy maintsy" tsidihina amin'ny taona 2016 i Mozambika, araka ny New York Times.