Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Febroary, 2016
Tsindry Shinoa Tao Amin'ny Vovonan'ny Zavakanto Ao Bangladesh Hanampenam-Bava Ny Fampirantiana Momba An'i Tibet
"Ny fandrahonana ambadiky ny hafatra dia: Raha tsy manaraka izany ianao dia hotapahinay ny fifandraisana ara-toekarena na hanasarotra izany ho anareo izahay.."
Gwen Rakotovao: ‘Manamafy Ny Fifandraisana Ara-tsosialy’ Amin'ny Alalan'ny Dihy Sy Ny Kanto
Niresaka tamin'i Gwen Rakotovao ny Global Voices, ilay vehivavy talen'ny kanto, lehiben'ny fitantanana, lasibika, ary mpanoratra boky ho an'ankizy, izay nentin'ny asany mahavalalalina nitety ny tontolo.
Antsasa-Potoana Izao eto Rosia
Amin'izao fihintsanan'ny vidin-tsolika sy ny fitontonan'ny toekaren'i Rosia mankany amin'ny fotoan-tsarotra izao, dia mitodika any amin'ny paikadin'ny indostria azo antoka indrindra ny paikadimbarotry ny mpanangana fiara vaovao rosiana AvtoVAZ: fiantsoana ny mpanjifa hampiasa ny fitiavan-tanindrazana.
Tononkalo Malagasy 4 Miresaka Fitiavana Tsy Azo Tanterahina Amin'izao Saint Valentin – Andron'ny Mpifankatia Izao
Ny Saint Valentin - fetin'ny mpifankatia no andro ratsy na tsara indrindra arakaraka ny olona sy ny toe-javamisy. Eto Madagasikara matetika ny resaka fitiavana dia miloko embona sy fijaliana. Indro tononkalo 5 miresaka fitiavana tsy mety ho tontosa, nosoratan'ny mpanoratra malagasy fanta-daza indrindra. Voninkazo adaladala.
Mieritrereta Tsara Alohan'ny Hanompànao Ny Sakafo Peroviana
Mety ho mpiaro ny sakafon'ny fireneny ny Peroviana. Niresaka tamin'ireo olona roa izay sahy mba niteny ny fanaratsiany momba ny sakafo ny Radio Ambulante an'i Daniel Alarcón, miaraka amin'ireo vokatra tena hafa mihitsy.
Nahoana No Manome Fidirana Maimaim-poana Ho An'ny Vehivavy Manao Kiraro Avo Vodi-tongotra Ny Tranombakoka Ara-jazakanto Rosiana?
Nahasarika mpijery maherin' ny 32 tapitrisa ny lahatsary an-kira tao amin'ny YouTube tao anatin'ny telo herinandro monja. Eny fa na dia amin'ny iray amin'ireo tarika mpihira rock malaza indrindra ao Rosia aza, nahitam-pahombiazana goavana ny hira vaovaon'i Leningrad mitondra ny lohateny hoe "Display Exhibit" ( "Exponat").
Fikambanana Tia Fanoritsoritana Sary Manavatsava An'i Eoropa Atsinanana Sy Afovoany Ao Amin'ny Twitter Manaitra Faniriana Te-Hamoron-Javatra
Ampolony ireo artista sy mpitia fotsiny izao no mandray anjara amin'ny fisantaran-tetikasam-pandokoana ao amin'ny Twitter mamoaka ny asany isan-kerinandro mba hitondra ala hamohamo bebe kokoa sy zavakanto ato amin'ny aterineto.
Artista Okrainiana Kseniya Simonova Mampiseho An'i Kazakhstan Amin'ny Alalan'ny Sangan'Asa Vita Amin'ny Fasika
Naka sary hampalaza azy amin'ny maha-"mpanetsika fasika" azy i Kseniya Simonova taorian'ny nahazoany ny Ukraine's Got Talent tamin'ny 2009.
Noravàn'ny ISIS i Dair Mar Elia, Monasiteran'ny Kristianina Tranainy Indrindra Ao Iraka
Noravain'ny ISIS ny monasiteran'ny Kristianina tranainy indrindra, Dair Mar Elia, izay naorina tamin'ny taona 595, ary miorina ao Ninawa, atsimon'i Mosul ao Iraka.
Potika Ny Asan'ny Vehivavy Iray Olo-Malaza Amin'ny Fahitalavitra Japoney Noho Ny Fanaovany Sipa Tamin'ny Mpihira Iray Efa Manambady
Ny fiainam-pijangajangana iray manasongadina ny tsy fanananan'ny tontolon'ny fialamboly ao Japan antra sy indrafo.