Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Novambra, 2015
Sekoly Iray Ao Etazonia Mampianatra Ireo Raim-pianakaviana Koreana ‘Ny Fomba Famihina’
Natsangana mba hanovàna ireo raim-pianakaviana mafy lamosina mba ho ray aman-dreny maneho fitiavana sy mandray andraikitra kokoa ny Sekolin'ny Raim-pianakaviana Duranno. Ahitana lesona iray ara-bakiteny momba "ny fomba famihina" ao anatin'ny fandaharam-pianarana.
Ny dokambarotra mampifamadika ny lahy ho vavy nataon'ny Shiseido
Namokatra dokambarotra mampifamadika ny lahy ho vavy izay nahafanina mpijery ny orinasa Japoney mpamokatra fitaovana fikojakojana tarehy.
Tazonin'Ireo Akanjo Mena Ho Velona Ny Fahatsiarovana Ireo Vehivavy Aborizena Tsy Hita Sy Maty Novonoina Tao Kanadà
Mikatsaka fisarihan-tsaina momba ny tsy rariny manoloana ireo vehivavy Aborizena ao Kanadà ny Fametrahana ila tetikasa zavakanto, REDress: manodidina ny 1.200 ireo vehivavy Aborizena novonoina na nanjavona nanomboka ny taona 1980.
Artista Rosiana Mpanao Fampisehoana, Notànana Noho Ny Nandrehetany Ny Foiben'ny Sampana Fiarovana Federaly
Pavlensky, fantatra amin'ny kanto manaitra ary indraindray kanto vita tsara fa manafintohina, nilaza fa hetsika iray entina mampiseho ny "fomba feno fandrahonana tsy miato" ataon'ny FSB amin'ireo olon-tsotra, ny fandoroana ireo varavarana.
Mpanao Sariitatra ao Myanmar Manakaiky Ny Vahoaka
"Maro no milaza fa ireo mpanao sariitatra na ireo mpanao gazety dia tsy tokony hitanila, fa tsy maintsy ho tsy miandany. Diso izany. Tsy maintsy manana fitongilanana izy ireo. Tsy maintsy. Amin'ny hoe fitongilanana, tsy hoe fitsarana an-tendrony no lazaiko."
Tantara an-tsarimiaina ‘South Park’ Nampiseho Ny Filohan'i Shina Manoroka Vehivavy. Iza Io Vehivavy Io?
Niahiahy ireo Shinoa mpankafy ny tantara an-tsarimiaina South Park, fa mety ho voaràra ny tantara noho i Xi Jinping manoroka vehivavy miteny Koreana izay tsy vadiny amin'ny fiafaran'ny tantara.
Ny Fomba itondràn'ny Kofehy Fahasamihafana Amin'ny Fiainan'ireo Vehivavy Any Nepal sy India
"Mieritreritra aho fa ny fanovàny ny fiainan'ireo vehivavy an-jatony any Nepal sy India no tena lanjan'ny "Darn Good Yarn""
Zava-misy Dimy Momba Ny Día de Los Muertos (Andron'ny Maty) Ao Meksika
Miha-mipoitra ao Etazonia ilay fety fankalazàna, toerana ahitàna vondrom-piarahamonina Meksikana betsaka.