· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Jolay, 2012

Ejipta: Lahatsary Fanadihadiana Mpanao Gazety Tao Anatin'ny Revolisiona Atao Fitetezam-Paritra Any Etazonia

Tenin'ny nanatri-maso (Words of Witness), mitety faritra ao Etazonia ilay “lahatsary fanadihadiana” momba ilay tovovavy mpanao gazety nitatitra mikasika ny revolisiona Ejipsiana. Nandeha voalohany tao amin'ny fetiben'ny sarimihetsika ao Kalifornia sy New York, avy eo amin'ny alalan'ny fitia tsy mba hetran'ny besinimaro anantenany hanangonam-bola no ahafahany mitety oniversite mba hizara...

Iran: Iza No Afaka Hisambotra Akoho?

Nisidina ambony lavitry ny 80% noho ny tamin'ny volana lasa ny vidin'ny akoho ary tahaka ny hidangana hatrany tsy ho takatry ny olona ny vidiny. Ireo mpiantsena dia mila mamoaka 70.000 rials (US $5.60) vao mahazo akoho iray kilao, manodidina ny avo telo heny amin'ny tamin'ny taona lasa.

Emirà Arabo Mitambatra : Fahatezerana noho ilay Fampisehoan'i Madonna Tao Risqué

Nanomboka ny fitetezam-paritra tany Afovoany tsinanana sy Afrika Avaratra tamin'ny 1 Jona IiMadonna ka nanatanteraka ny fampisehoany voalohany tao Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra, ny 3 sy 4 Jona. Niteraka fifandirana ny fampisehoana  noho ny fitafian'i Madonna sy ny lohahevitra ataony mirona amin'ny fanintonan'ny nofo Miatrika fanoherana avy amin'ny antokon'olona mpandala ny...

Lahatsary: Misokatra Ny Fifaninanana Manerantany Horonantsarimihetsika Iray Minitra Momba Ny Tontolo Iainana

Manomboka ny fifaninanana horonantsarimihetsika iray minitra miompana amin'ny tontolo iainana andiany fahatelo karakarain'ny Tve Biomovies. Mahazo mandray anjara avokoa izay rehetra mihoatra ny sivy taona manana fakantsary ka manana hevitra hanao lahatsary (video) iray minitra miompana amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny tontolo iainana mba hahazoana loka $300 ahafahana mifaninana hahazoana loka goavana kokoa mitentina $1500 sy fandraisana anjara amin'ny valandresaky ny Firenena Mikambana UN COP 18 hotontosaina amin'ny volana Novambra.