· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Oktobra, 2010

Però: Nahazo ny Loka Nobel Literatiora i Mario Vargas Llosa

Nifoha tao amin'ny antsoina hoe "Vaovaon'ny taona" ny Peroviana ny alakamisy 7 oktobra : Nahazo ny loka Nobel eo amin'ny literatiora avy amin'ny Akademia Soedoà i Mario Vargas Llosa . Nanapakevitra ny hanolotra ho an'i Vargas Llosa ny loka Nobel ny akademia noho ny "fipetrapetraky ny rafitry ny fahefana (nosoratany) sy ny endrika miharihary momba ny fiaretana mijoro, ny fikomiana ary ny faharesen'ny tsirairay."Ao amin'ny Twitter moa ny tenifototra #vargasllosa dia tsy mitsahatra ny voaresaka ary saiky naharitra 12 ora no naha-fironan-resaka voalohany manerantany ao amin'ny Twitter an'i "Mario Vargas Llosa"

08 Oktobra 2010

Kaoety: Mihinàna, Mijere dia Mivavàha

Orinasa goavana mpamokatra sarimihetsika ao Kaoety no nanambara fa mikasa ny hametraka 10 mn ho fakàna aina amin'ny ora fiasany efa voafaritra isanandro mba hanomezana fotoana ireo mpino marobe hanaovan'izy ireny ny maghreb izay fotoam-bavaky ry zareo. Nifangaro be ihany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter naterak'ilay fanambarana

04 Oktobra 2010