· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Febroary, 2009

Sina: Nosakanana an-tserasera ny Lanonan-dohataonan'i Shanzhai

  06 Febroary 2009

Ny alin'ny 25 janoary 2009 dia nijanona tany an-tranony mankafy ny sakafo famaranana miandry ny taona vaovao araka ny fanisanandro manaraka ny volana ny ankamaroan'ny Sinoa any amin'ny tanibe. Mahazatra ny ankamaroan'ny mpianakavy rehefa alina tahaka izao ny mijery ny Lanonan-dohataona alefan'ny fahitalavitra CCTV. Tamin'ity taona ity dia misy ny...

Chili: fiainana andavanandro atao blaogy horonantsary

  05 Febroary 2009

Avy any Chile, nitondra antsika ny tantarany isan'andro i Paloma Baytelman ary koa sehon-javatra tsy dia fahita firy ao anatin'ny blaoginy. Dadabe noely misaofera, fifidianana, sy fanadalana nataon'ny olona mifono seho-endrika no isan'ireo zavatra nampidiriny ao anatin'ny tranok'alany.

Rosia: Andro iray ho fihetsehana

  05 Febroary 2009

Nibaliaka ny masoandro teto Mosko ny andron'ny 31 janoary, ambanin'ny  14° Celsius/7° Fahrenheit teo ho eo ny maripàna, nefa na teo aza ny hatsiaka, nahitàna fihetsehana maromaro ho fanoherana ny governemanta ny tanàna – ary fifanjevoana vitsivitsy. Ireto manaraka ireto misy fitantaràna fohy, sary, ampahan-tsary miaina, ary rohy vitsivitsy. LJ...

Goadelopy: Hetsika ara-tsosialy vaovao

  04 Febroary 2009

Roambitelopolo, efatrambitelopolo, eninambitelopolo ary izao dia roambidimampolo – ireo no isa manan-tantara tsy mitsaha-mitombon'ireo vondrona sendikaly, ara-kolotsaina sy vondrona niforona tamin'iny volana lasa iny sy ny taloha tany, miombona anaty teny faneva iray: Lyannaj kont pwofitasyon, dikanteny Kiriolona [Creole] ho an'ny hoe “Ndeha hijoro isika hanohitra izay rehetra endri-panararaotana”. Tao...

Japana: Tanora Masina, Jesoa sy Boddha nidina an-tany

  02 Febroary 2009

Ahoana moa raha midina ety an-tany i Jesoa sy i Boddha mba hitsangatsangana faran'ny herinandro? ary ahoana moa raha miara-mipetraka amina efitrano mora vidy any Tachikawa andrefan'i Tokyo izy ireo? izany no eritreretin'i Hikaru Nakamura (中村光) [jp], tanora Japoney mpanoratra manga, raha miaraka amin'ireo Oniisan Masina (聖☆おにいさん [jp], dika mivantana...