Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Jona, 2024
Maja Milinković: ilay mpitendry mozika mampivady ny “fado” pôrtiogey amin'ny “svedah” bôsniaka
Enina ambinifolo taona lasa izay no nandre voalohany ny gadona 'fado' pôrtiogey i Maja Milinković, (midika hoe "lahatra" amin'ny fiteny pôrtiogey). Nanomboka teo izy dia lasa mpisava lalana tamin'ny fanatsofohana ity karazana mozika ity tao Bôsnia zy Herzegôvina
Fahafinaretana isanandro ho an-dry zareo Bangladeshis ny dite, na zava-tsarotra goavana aza no atrehan'ireo mpiasa eny amin'ny toeram-pambolena
Ho an'ny ankamaroan'ireo Bangladeshis, midika fiainana sambatra ny dite, fa ho an'ireo mpiasa mpamboly dite kosa, midika hoe ny ravin-dite ampiarahana amin'ny vary no hany azon-dry zareo atao sakafo noho ny karama varimasaka raisin-dry zareo
Miverina any amin'ny toeram-ponenany voajanahary manan-tantara ao Kazakhstan ny soavaly haolo
Lasa dingana lehibe amin'ny ezaka fiarovana ny bibidia maneran-tany ity hetsika ity mba hanavotana ny soavalin'i Przewalski tsy ho lany tamingana sy hamerenana azy ireo amin'ny toeram-ponenany voajanahary.
Dite Quetta ve? Eny, azafady!
Tato anatin'ny taona vitsivitsy, nipoitra tany amin'ny fon'ireo tanàndehibe tao Pakistàna ireo trano heva fisotroana dite Quetta, nahasarika olona avy amin'ny sarangan-taona rehetra, izay tonga amin'ny fotoana rehetra mandritry ny andro mba hankafy ilay dite
Ao Maoritania, tontolo mozikaly iray manintona eo anelanelan'ny fombandrazana sy ny fanavaozana
Mbola mifamatotra amin'ny soatoavina nentindrazana ny famokarana mozika any Maoritania, ary miezaka mafy ireo mpanakanto ny hitahiry io lova io manoloana ny dindon'ny mozika maoderina
Malaza amin'ny mozika Amerikana ny hira fanevan'i Macklemore ‘Hind's Hall’ any Gaza
Maty novonoin'ny tafika Israeliana tamin'ny volana Janoary i Hind Rajab, nomen'ireo mpianatra mpikatroka ao Columbia voninahitra tamin'ny nanovana ny anaran'ny efitra oniversitera lehibe voabodo ho amin'ny anarany.
Mihoatra lavitra noho ny maha-zavapisotro fanàla hetaheta fotsiny azy ny dite ho an'ireo Jamaikàna maro
Ny "Bush tea" - tambavy sotroina noho ny antony ara-pahasalamàna, nefa koa ankafizin'ny maro - dia mamàka lalina ao anatin'ny fombandrazana sy ny tantaran'ny Jamikàna, isan'izany ny lova afrikàna ananany