· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Solovava tamin'ny Febroary, 2019

Malezia: Rex Judicata (Mpanjaka mpitsara?)

GV Mpisolovava  09 Febroary 2019

Mpiserasera Maleziana enina no voampanga tamin'ny 13 martsa 2009, araka ny tati-baovao. Mikasika ny fanevatevana nataon'izy ireo ny Sultan Azlan Shah tao amin'ny aterineto ny fiampangana. Ho voampanga ao amin'ny fanjakana samihafa ao Malezia izy enina, ny roa dia hotontosaina ao amin'ny fotoam-pitsarana ao an-drenivohitra.

Zambia: Fihainoana Ny Fifandraisana Findain'Ilay Minisitry ny Raharaham-Bahiny

GV Mpisolovava  08 Febroary 2019

Voan'ny tsindry avy amin'ny antokon'ny fitondràna Patriotic Front (PF) ny amin'ny tokony hametrahany fialàna ilay Minisitry ny Raharaham-bahiny Zambiana, Given Lubinda. Nampangain'ny komitin'ny fitsipi-pitondrantenan'ilay antoko ho nanaporitsaka vaovao taminà filazambaovao anaty aterneto izy. Nifototra tamin'ireo porofo izay voalaza fa nangonina tamin'ny alalan'ny fihainoana ny resaka nifanaovan'ilay minisitra tanaty findainy izany fiampangana izany

Bahrain: Ireo tranonkala marobe nasakanana

GV Mpisolovava  06 Febroary 2019

Tranonkala marobe no nakatona tao Bahrain, taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao. Ny hetsika farany dia ahitana ny Google Translate, ireo vondrona ara-tsosialy, ara-pivavahana, ara-pôlitika sy zon'olombelona tsy azo nidiran'ny olona any Bahrain.

IGF2009: Tsy fahombiazan'ny Firenena Mikambana?

GV Mpisolovava  04 Febroary 2019

Nesorin'ny mpitandro filaminana avy ao amin'ny Internet Governance Forum ny afisy tsy dia lehibe, amin'ny teny Anglisy, mampiroborobo ny boky fizarana faha-2 "Access Controlled"  an'ny ONI,

Egypta: Bilaogera nodarohan'ny polisy mafy

GV Mpisolovava  03 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny Zoma 16 Oktobra, ilay bilaogera Ejiptiana Demagh Mak sy ny rahalahiny dia nosakanana hanaovana fisavana “kara-panondro” tany Tanta (Faritany Ejiptiana) nataon'ny polisy iray antsoina hoe Mohamed El-Dahrawy. Tsy nisy antony anefa dia nodarohan'ilay polisy tao an-damosiny ilay bilaogera Mak...

Shina: Manakana izay manova endrika ny Google

GV Mpisolovava  03 Febroary 2019

Nakatona nandritra ny adiny roa tamin'ny alina lasa teo ny Google, ka anisan'izany ny fikarohana, gmail, antontan-taratasy sy fampiharana, na dia efa naverin'ny FAI sasany aza ny fahafahana miditra tao anatin'ny ora roa, nilaza ireo mpisera twitter sasany fa mbola voasakana any amin'ny faritra sasany ao Shina ny Google.

Ireo pejinay momba an i Solovava

Advocacy