· Marsa, 2019

Tantara mikasika ny Solovava tamin'ny Marsa, 2019

Mozambika: Adihevitra mikasika ny fanoratana anarana amin'ny karatra SIM

GV Mpisolovava  12 Marsa 2019

Fotoana fohy taorian'ireo hetsi-panoherana tamin'ny Septambra tany Maputo nokarakaraina tamin'ny alalan'ny SMS, navoakan'ny governemanta Mozambikana ny didy Ministerialy manery ireo mpampiasa finday naloa mialoha tao amin'ireo tambajotra nasionaly roa mba hanoratra ireo karatra SIM-ny ao anatin'ny iray volana. Hetsi-panoherana sy fitaredretra be loatra miohatra amin'izay takian'ilay lalàna no naterak'ilay dingana.

Miampy ny fanenjehana an'i Raja Petra Kamarudin (RPK)

GV Mpisolovava  11 Marsa 2019

Misy ny raharaha ara-pitsarana vaovao mety hanampy trotraka ireo fiampangana fanalam-baraka sy fitoriana fanalam-baraka hanenjehana an'i Raja Petra Kamarudin (RPK). Nitatitra ireo mpanao gazety vao haingana fa nametraka fitoriana azy tany amin'ny polisy ny Departemantan'ny Fampandrosoana ny Islamika (Jakim) sy ny sampana Miozolomana hafa.

Aterineto ao Iran: Ranomody sy ny tahotra

GV Mpisolovava  07 Marsa 2019

Raha miezaka manalalaka ny aterineto izao tontolo izao, dia manakatsakana kokoa ny Sampana Iraniana Mpiambina Revolisionera Islamika (IRGC). Natsangana vao haingana ny tranonkala iray antsoina hoe Gerdab Gerdab (ranomody) mba hanaraha-maso ny aterineto Iraniana araka ny foto-kevitra sy paikady inoan'ny IRGC.

Ireo pejinay momba an i Solovava

Advocacy