Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Solovava

Mamoaka lahatsoratra ho fanandrata-teny

Faly izahay mamoaka ny Advocacy 2.0 Guide: Cross-posting ho an'ny Advocacy, Fampahafantarana ny Fampidirana Mahomby ny Media Sosialy. Manolotra fampidiran-dresaka fohy mikasika ny fomba fampiasana ny famoahana iarahana ho an'ny fanentanana antserasera momba ny fiarovana ity torolàlana ity.

Fihaonana tamin'i Poutine, Arian'ireo mpitarika orinasa any an-tatatra ny zo nomerikan'ireo mpampiasa

Nanatrika fihaonana iray tena nandrandraina fatratra niarahana tamin'ireo mpitarika ny indostrian'ny aterineto Rosiana, tao Maosko, i Vladimir Poutine. Niresaka fahalalahan'ny aterinteo ve ry zareo? Zara raha nisy.

Torkia: Nosakanana ny Dailymotion

Nosakanana tany Torkia tamin'ny 2 Aogositra 2008 ny fidirana ao amin'ny tranonkala fizarana lahatsary frantsay Dailymotion.com. Araka ny filazan'ny Erkan Saka, bilaogera monina any Istanbul, "tsy nisy fanazavana ny fanapahan-kevitra handràra ny tranonkala."

Lehilahy Kroaty nosamborina noho ny fananganana vondrona Facebook manohitra ny praiminisitra

Nosamborina i Niksa Klecak, Kroaty 22 taona izay namorona vondrona Facebook manohitra ny Praiminisitra " Miloka aho fa hahita olona 5.000 tsy tia ny Praiminisitra" [Ivo Sanader] noho izy voalaza fa mampiroborobo fitaovana vaovao-Nazi. Nanambara ny polisy fa nahita marika sy fampielezan-kevitra Nazi tao an-tranony nefa tsy nisy porofo izany.

Blog for a Cause! efa misy amin'ny teny Arabo ankehitriny ny torolalana

Efa misy amin'ny teny Arabo ankehitriny ny Blog for a Cause!,  Torolalan'ny Global Voices amin'ny Blog Advocacy, noho ny dikan-teny nataon'ilay mpanao gazety sady bilaogera Ejypsiana Amr Magdi.

Taridia fibilaogina tsy mitonona anarana efa misy amin'ny teny Arabo

Efa misy amin'ny teny Arabo ankehitriny ny The Anonymous Blogging with Wordpress and Tor (Fibilaogina tsy mitonona anarana miaraka amin'ny Wordpress sy Tor) noho ny dikan-teny avy amin'i Yazan Badran  sy Mohammad Al abdallah.

Mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress & Tor nohavaozina!

Faly aho manambara fa efa hita amin'ny aterineto ny torolalana mibilaogy miafina anarana miaraka amin'ny Wordpress & Tor! Nosoratan'i Ethan Zuckerman tamin'ny 13 Aprily 2005 ny drafitra voalohany tamin'izany toro-lalana izany ary nohavaozina tamin'ny 1 Oktobra 2006. Tamin'ny 8 Aogositra 2007, namoaka endrika HTML nohavaozina tamin'ny torolalana ny Global Voices Advocacy,...

Toby Rosiana Fanibohana ny Rakitr'ireo Tambajotra Sosialy Amerikana?

Mampiroborobo ny volavolan-dalàna iray izay mitaky ireo tambajotra sosialy rehetra mba hampiantrano ny rakitr'ireo mpampiasa azy ao anaty lohamilina miorina ao amin'ny tany Rosiana ny mpanolotsaina iray ao amin'ny tanànan'i Moskoa:

Tanànan'i Mexico : Midina An-dalambe Manohitra ny #LeyTelecom Ireo Olom-pirenena

Tany Meksika, nanao fihetsiketsehana ho an'ny Aterineto ho an'ny daholobe izay manaja ny tsy fitanilàn'ny Aterineto sy ny fahalalahana maneho hevitra ireo mpanao fihetsiketsehana.

Iran: Bilaogera noterena hibaboka manoloana ny fahitalavitra

Noterena hibaboka manoloana ny fahitalavitra ilay bilaogera Iraniana Hossein Ronaghi Malki araka ny filazan'ny reniny. Tany Teheran izy no manefa ny saziny 15 taona an-tranomaizina .