Tantara mikasika ny Hafanam-po tamin'ny Febroary, 2019
Tamin'ny fangatahana fanohanana ny Global Voices Advocacy hahazo 3000 dolara amin'ny fanoratana lahatsoratra iray

Tamin'ny fangatahana fanampiana ny Global Voices Advocacy hahazo 3000 dolara! Loka hanampy antsika hanohy hanentana mikasika ny fanafihana ny fahalalaham-pitenenana antserasera, ary hizara fitaovana sy tetikady miaraka amin'ireo mpikatroka sy bilaogera miatrika sivana any amin'ny faritra samihafa manerantany.
Bilaogera Ejipsiana roa nosamborina sy nogadraina tamin'ny toerana tsy fantatra nandritra ny iray volana latsaka

Mpikatroka Facebook iray ao Ejipta no nalain'ireo polisy an-keriny, izay nanafika ny tranony tamin'ny 3:30 maraina, fotoana fohy alohan'ny hihiratan'ny andro. Nentina tany amin'ny toerana tsy fantatra efa ho roa andro i Rami El- Swaisi, 21 taona.
Shina: Miantso an'i Guo Baofeng hiverina hody hisakafo hariva!

Notazonin'ny polisy Mawei ao Fujian nandritra ny herinandro mahery ilay bilaogera Peter Guo Baofeng. Araka ny tatitry ny twitter (efa voasakana), Nangataka tamin'ireo enina notazonina mba hanasonia fiaiken-keloka sy hiaiky fa nanao heloka bevava amin'ny fanalam-baraka sy fanaparitahana tsaho ho takalon'ny famotsorana azy ireo ny polisy ao Mawei.
Azerbaijan: Tsy afaka nidirana ny tranonkala nanohanana ny mpikatroka

Araka ny tatitra avy amin'ny Önər Blog, handinika indray ny raharahan'i Emin Milli sy Adnan Hajizade ny Fitsarana Avo ao Baku. Voadaroka sy voasambotra ary voaheloka ireo bilaogera sady mpikatroka tanora roa ireo .Ny omalin'iny anefa dia tsy nisokatra ny iray tamin'ireo vohikala izay noforonina ho fiarovana azy ireo .
Bahrain: Ireo tranonkala marobe nasakanana

Tranonkala marobe no nakatona tao Bahrain, taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao. Ny hetsika farany dia ahitana ny Google Translate, ireo vondrona ara-tsosialy, ara-pivavahana, ara-pôlitika sy zon'olombelona tsy azo nidiran'ny olona any Bahrain.
Shina: Mpiserasera nogadraina noho ny “fampielezana tsaho”

Notazonin'ny polisy ao Hubei ilay mpiserasera Xiong Zhongjun noho ny fanadihadiana tao amin'ny aterineto ny mombamomba ilay mpamily fiara nanao lozam-pifamoivoizana. Nanomboka tamin'ny 21 Aogositra ny fitazonana naharitra 10 andro araka ny tatitry ny Xinhua.
Egypta: Bilaogera nodarohan'ny polisy mafy

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny Zoma 16 Oktobra, ilay bilaogera Ejiptiana Demagh Mak sy ny rahalahiny dia nosakanana hanaovana fisavana “kara-panondro” tany Tanta (Faritany...
Nakaton'i Syria indray ny Facebook

Araka ny filazan'ny Al Quds Al Arabi, mikasa ny hamerina indray ny fandraràna ny Facebook i Syria taorian'ny fandraràna voalohany ny tranonkala tambajotra sosialy tamin'ny volana Novambra 2007. Nilatsaka taorian'ny Facebook namela ireo mponina ao Golan Heights hanamarika ny firenen'izy ireo ho Isiraely izany.
FANAVAOZANA: Famotsorana Blaogera Gambiana Raha Ny Hatezerana Kosa Mitombo

Navotsotra i Jaw raha niomana hanao fihetseketsehana maro ireo mpianatra mba ho fitakiana ny famoahana tsy misy hatak'andro azy. Niteraka fanenjehana goavana teny anaty media sosialy ny fisamborana ilay blaogera tanora sady mpikatroka.